"Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany." – 2 Tim. 4:17.
Mofon’aina:
Manapaha hevitra, tsy amin'ny herin'ny tenanao fa amin'ny hery sy ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ny hanolo-tena ho Azy izao ankehitriny izao. Atolory Azy ny herinao sy ny fahaizanao rehetra. Rehefa izay dia hanaraka an'i Jesosy ianao rehefa mibaiko anao Izy, ary tsy hanontany ianao hoe hankaiza, na hoe inona no valisoa ho azonao. Hahafinaritra anao ny mankatà ny teny hoe: "Manaraha Ahy". Ny anjaranao dia ny mitarika ny hafa ho eo amin'ny fahazavana, amin'ny fahendrena sy ny fahatokiana. Eo ambanin'ny fiarovan'ilay Mpitarika any an-danitra, dia mivonôna hanao zavatra, ary manapaha hevitra hiasa, tsy amim-pisalasalana.
Rehefa maty ny "izaho", rehefa milefitra amin'Andriamanitra ianao ka manao ny asany sy mamela ny fahazavana nomeny anao hamirapiratra amin'ny alalan'ny asa tsara, dia tsy hiasa samirery ianao. Eo mandrakariva ny fahasoavan'Andriamanitra, miara-miasa amin'ny ezaka tsirairay, ho fanazavana ireo tsy ampy fahalalana sy ireo izay tsy mahafantatra fa efa antomotra ny fiafaran'ny zava-drehetra.
Tsy hanao ny anjara asanao anefa Andriamanitra. Mety hamirapiratra tokoa ny fahazavana, kanefa tsy hanova ny fonao ny fahasoavana nomena anao raha tsy manainga anao hiara-miasa amin'ny lanitra izany. Antsoina ianao hitafy ny fiadian'ny Kristianina ka hamonjy ny laharanao amin'ny asa fanompoana ny Tompo, toy ny miaramila mavitrika. Tsy maintsy miara-miasa amin'ny ezaka ataon'ny olombelona ny herin'Andriamanitra mba handresena ny fanangolen'ny fahavalo ny fanahin'ny olona. (...)
Aoka ny fonao hoentanim-pitiavana ho an' ireo fanahy very. Maneke hotaomina araka fitarihana avy any an-danitra ambony. Aza mampalahelo ny Fanahy Masina amin'ny fangatahana andro. Aza toherina ny fomba fiasan'Andriamanitra ho fanafahana ny fanahy amin'ny fanandevozan'ny fahotana. Nomena asa ny tsirairay, araka izay fahaizany avy. Manaova ny tsara indrindra, dia heken'Andriamanitra ny ezaka ataonao. — TFC, b. 8, tt. 55,56.