NITA AN'I JORDANA
Vakio ny Jos. 3:1-5 sy ny Nom. 14:41-44. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny Isiraelita mba hanao fiomanana manokana ho amin'izay hitranga?
Sambany izao no iresahana momba ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny bokin'i Josoa. Talohan'io fotoana io, ao amin'ny fitantaran'ny TT, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina (Eks. 40:21) sy nandritra ny dia lavitra nataon'ny Isiraely niala teo Sinay (Nom. 10:33-36) ary tao anatin'ny ezaka tsy nahitam-bokatra nakana ny tany Kanana (Nom. 14:44) ihany no niresahana momba ny fiaran'ny fanekena. Izany no fanaka masina indrindra tao amin'ny tabernakely isiraelita, ary nahitana zavatra telo tao anatiny, izay samy naneho ny fifandraisana manokana nananan'ny Isiraely tamin'Andriamanitra: (1) ny vato fisaka nisy ny didy folo; (2) ny tehin'i Arona mpisoronabe; ary (3) ny vata iray izay nisy mana (Eks. 16:33; Heb. 9:4).
Ny fiaran'ny fanekena sy ireo fiomanana natao mialoha ny hitana an'i Jordana dia nampahatsiahy ny Isiraely fa tsy araka ny fombany manokana na ny fotoan'izy ireo no nidirany tao amin'ny tany Kanana. Tsy mahomby ny fakany ny tany raha tsy mandeha araka ny fomban'Andriamanitra sy ny Fotoany izy ireo. Andriamanitra no niditra tao Kanana teo alohan'ireo Isiraelita tahaka ny Mpitari-tafika iray, Izy Ilay voalaza fa nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany teo anelanelan'ireo kerobima roa teo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary nampifandraisina tamin'ny fandrosoan'ny fiaran'ny fanekena na ny fijanonan'izany ny Fihetsiny (Eks. 25:22; Nom. 7:89).
Ny teny nadika hoe "manamasina" (Jos. 3:5) na koa "manokana" dia manondro ny dingam-pidiovana tahaka izay narahin'ireo mpisorona mialoha ny hanaovany ny fanompoany tao amin'ny fitoerana masina (Eks. 28:41; Eks. 29:1) ary koa izay nataon'ireo vahoaka Isiraely talohan'ny nihaonany tamin'Andriamanitra tao Sinay (Eks. 19:10,14). Tao anatin izany fanokanan-tena izany ny fahafoizana ny fahotana sy ny fanesorana izay noheverina ho tsy madio rehetra araka ny fombam-pivavahany. Hita ao amin'ny Nom. 11:18 koa ny baiko ho amin'ny fanokanan-tena tahaka izany, izay mifandraika amin'ny fahagagana efa hataon'Andriamanitra tsy ho ela. Notakina koa ny hanaovan'ny vahoaka fiomanana tahaka izany talohan'ny fiatrehana ady (Deo. 23:14). Nialoha ny hiadian'i Jehôvah ho an'ny Isiraely tao anatin'ny ady anankiray, dia tsy maintsy nampiseho ny fahatokiany Taminy izy ireo ary koa ny fitokiany Azy ho Mpitarika ny tafiny.
Ny fahagagana amin'ny fiampitana ny onin'i Jordana no hanaporofo amin'ny Isiraelita fa azo itokiana ny teny fikasan'i Jehôvah ny amin'ny handroahany ny mponina ao amin'io tany io. Izy ilay nanokatra lalana maina teo afovoan'i Jordana ihany no hanome azy ireo ny tany.
Tsy mampisaraka ny onin'i Jordana mandrakariva Andriamanitra. Tsy hita miharihary mandrakariva ny fidirany an-tsehatra. Araka ny hevitrao, ahoana no hanaovantsika fiomanana ara-panahy mba hiainantsika ny fanandraman'ny fidiran' Andriamanitra an-tsehatra ho antsika ary koa mba hahatsapantsika izany?