Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiangaviana amintsika sy ho antsika

Daty
Talata 18 November 2025

 "Ny famindrampon'i Jehôvah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. "– Fit. 3:22, 23.

Mofon’aina:
Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. "–L o. 6:36. Omen'ny Tompo voninahitra amin'ny alalan'ny fandraisana azy ho mpiara-miombona antoka Aminy ny olombelona irany. Feno fahasoavana sy famindrampo ary fahamarinana ny fon'i Kristy. Ory noho ny fahoriana rehetra manjo ny vahoakany Izy. Tokony hangoraka ny hafa isika, ka hahita fifaliana amin'ny fanatonana amin'ny fahalianana feno hatsaram-panahy mba hamehy ny ferin'ireo izay nohazain'ny tanana tsy mifaditrovan' ilay mpanimba ka navelany torantorana. Tokony ho vonona ny hanasitrana ny ritra nataon'ny fahotana isika.

 (...) Antsika Andriamanitra ao amin' i Kristy, ary tsy mety ritra ny haben'ny fitiavany sy ny famindrampony. lriny ny hahazoan'ny rehetra misitraka ny zavatra rehetra nataony ho an' izay tia Azy; asainy isika rehetra mba hiombom-boninahitra Aminy. Ny fahasambaran'ny lanitra dia nomena an'izay rehetra tia an'Andriamanitra (...) sy tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany.

Tsy ho andevon'ny fahotana intsony ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa izy manalavitra ny fitaomana manintona nefa feno fitak'i Satana, ka mibanjina maharitra an'i Jesosy mba hahita sy hahatakatra ny Fitiavany. Hisy fahazarana vaovao hiforona, ka handamoka ireo fironana mahery vaika ho amin'ny ratsy. Mpandresy ny Mpitarika antsika, ary mitarika antsika ho amin'ny fandresena azo antoka Izy.

Ny Solovavantsika, i Jesôsy , dia mitalaho eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny Rainy ho antsika, ary miangavy ny mpanota koa Izy, ka manao hoe: "Mialà, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?" Tsy nataon'Andriamanitra ho azo tanterahina tamin'ny alalan'i Kristy avokoa va ny zava-dehetra mba hanesorana antsika ho afaka amin'ny famitahan'i Satana? (...) Tsy Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty va Izy, velona mandrakizay mba hanao fifonana ho antsika? Tsy manohy mandrakariva ny asa fanavotana lehibe nataony amin'ny alalan'ny fiasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fo tsirairay va Izy? Mbola mikendry ny seza fiandrianan'Andriamanitra hatrany ny tsipikan'ny famindrampo, ka mifaza marimarina fa hanana fiainana mandrakizay ny fanahy tsirairay izay mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana. (...) — ST, 19 Septambra 189.5. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal