Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiangaviana amintsika sy ho antsika

Daty
Talata 18 November 2025

 "Ny famindrampon'i Jehôvah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. "– Fit. 3:22, 23.

Mofon’aina:
Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. "–L o. 6:36. Omen'ny Tompo voninahitra amin'ny alalan'ny fandraisana azy ho mpiara-miombona antoka Aminy ny olombelona irany. Feno fahasoavana sy famindrampo ary fahamarinana ny fon'i Kristy. Ory noho ny fahoriana rehetra manjo ny vahoakany Izy. Tokony hangoraka ny hafa isika, ka hahita fifaliana amin'ny fanatonana amin'ny fahalianana feno hatsaram-panahy mba hamehy ny ferin'ireo izay nohazain'ny tanana tsy mifaditrovan' ilay mpanimba ka navelany torantorana. Tokony ho vonona ny hanasitrana ny ritra nataon'ny fahotana isika.

 (...) Antsika Andriamanitra ao amin' i Kristy, ary tsy mety ritra ny haben'ny fitiavany sy ny famindrampony. lriny ny hahazoan'ny rehetra misitraka ny zavatra rehetra nataony ho an' izay tia Azy; asainy isika rehetra mba hiombom-boninahitra Aminy. Ny fahasambaran'ny lanitra dia nomena an'izay rehetra tia an'Andriamanitra (...) sy tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany.

Tsy ho andevon'ny fahotana intsony ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa izy manalavitra ny fitaomana manintona nefa feno fitak'i Satana, ka mibanjina maharitra an'i Jesosy mba hahita sy hahatakatra ny Fitiavany. Hisy fahazarana vaovao hiforona, ka handamoka ireo fironana mahery vaika ho amin'ny ratsy. Mpandresy ny Mpitarika antsika, ary mitarika antsika ho amin'ny fandresena azo antoka Izy.

Ny Solovavantsika, i Jesôsy , dia mitalaho eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny Rainy ho antsika, ary miangavy ny mpanota koa Izy, ka manao hoe: "Mialà, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?" Tsy nataon'Andriamanitra ho azo tanterahina tamin'ny alalan'i Kristy avokoa va ny zava-dehetra mba hanesorana antsika ho afaka amin'ny famitahan'i Satana? (...) Tsy Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty va Izy, velona mandrakizay mba hanao fifonana ho antsika? Tsy manohy mandrakariva ny asa fanavotana lehibe nataony amin'ny alalan'ny fiasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fo tsirairay va Izy? Mbola mikendry ny seza fiandrianan'Andriamanitra hatrany ny tsipikan'ny famindrampo, ka mifaza marimarina fa hanana fiainana mandrakizay ny fanahy tsirairay izay mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana. (...) — ST, 19 Septambra 189.5. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal