Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho amin'ny ho avy

Daty
Sabotsy 22 November 2025

 "Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." – Mar. 13:13.

Mofon’aina:
Tsy tokony hanomana lahateny matipaika haseho rehefa   tonga amin'ny fitsarana ny mpanompon'i Kristy. Tokony hatao isan'andro isan'andro ny fiomanany amin'ny fanangonana ho rakitra ho an' ny tenany ireo fahamarinanasarobidy ao amin'ny tenin'Andriamanitra, sy amin'ny alalan'ny fivavahana izay mampahatanjaka ny finoany. Rehefa nentina teo amin'ny fitsarana izy ireo dia ny Fanahy Masina no hampahatsiaro ny fahamarinana izay ilaina indrindra.

Ny fiezahana atao isan'andro hahalalana an'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izay nirahiny no hitondra hery sy fahombiazana ho an'ny fanahy. Ny fahalalana azo tamin'ny fandinihana feno fahazotoana ny Soratra Masina, no hamerina ao amin'ny fitadidiany izay teny tokony hataony amin'ny fotoana mety. Fa raha misy manao an-tsirambina ny fifankazarany amin'ny tenin'i Kristy, na tsy mbola nanandrana mihitsy ny herin'ny fahasoavany eo amin'ny fitsapana, dia tsy afaka hanantena fa hampahatsiaro ny teny tokony hataony ny Fanahy Masina. Tokony hanompo an'Andriamanitra isan'andro amim-pitiavana tsy mizarazara izy, ary hatoky Azy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra.

Hangidy indrindra ny fandrafiana ny filazantsara hany ka na dia ,ny fatorana mamy indrindra eo amin'ny ara-nofo aza dia hatao tsinontsinona. Ny ao amin'ny ankohonan'ny tenany ihany no hamadika ny mpianatra ka hitarika azy ho amin'ny fahafatesana. (...) Nibaiko azy Izy anefa tsy hitonon-tena ho amin'ny fanenjehana tsy ilaina. Matetika aza Izy no nandao ny raha niasany iray ka nankany amin'ny toerana hafa mba handosirany ireo izay mitady ny ainy. Rehefa notsipahina Izy tany Nazareta, ka nitady hamono Azy ny iray tanana Aminy, dia nidina nankany Kapemaomy Izy ary talanjona ny amin'ny fampianarany ny olona tao: "satria nisy fahefana ny tenany" – Lio. 4:32. Toy izany koa no tsy tokony hahakivy ny mpanompony noho ny fanenjehana, fa hitady ny toerana izay mbola hahazoany miasa ho amin'ny famonjena ny fanahy.

Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Nolazaina fa Belzeboba ny Andrianan'ny lanitra, ary haseho amin'ny fomba diso toy izany koa ny mpianany. Nefa na toy inona na toy inona loza mananontanona, dia tsy maintsy manambara ny foto-kevitra ijoroany ny mpanaraka an'i Kristy (...) IFM, tt. 374,375, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal