Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mila fahasoavana sy hery

Daty
Zoma 28 November 2025

 "Ny fihavin 'ilehiny dia araka ny fiasanˋi Satana amin 'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin 'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy."- 2 Tes. 2:9,10.

Mofon’aina:
Hitombo hihamafy ny ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy amin'ny fiafaran'ny andro indrindra. Tamin'ny fotoan'andro rehetra dia niseho nanohitra ny fiangonan'i Kristy ny fahatezeran'i Satana; ary Andriamanitra nandrotsaka ny fahasoavany sy ny Fanahiny tamin'ny vahoakany mba hampahery azy hijoro hanohitra ny herin' ny ratsy. Fony ireo apostolin'i Kristy nitondra ny filazantsarany ho an' izao tontolo izao ka nitantara izany ho amin'ny andro ho avy, dia nomena ny fahazavan'ny Fanahy tamin'ny fomba manokana izy.

Fa rehefa manakaiky ny fanafahana azy farany kosa ny fiangonana, dia hiasa amin'ny hery lehibe kokoa i Satana. Midina izy "manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny." – Apok. 12:12. (...) Enina arivo taona izay ilay manan-tsaina tokoa, ilay ambony indrindra tamin' ireo anjelin'Andriamanitra tamin' izay no ni lofo tanteraka tamin ' ny asa famitahana sy famonoana. Ary ireo fahaizan'i Satana lalina sy ireo hafetsena azony tamin' izany, ny fahasiahana nampitomboina rehetra nandritra ny tolona tamin'ny taona nifandimby, dia hoentiny hanoherana ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny ady farany.

Ary amin'izao fotoana tataovan-doza izao no tokony hitondran'ireo mpanaraka an'i Kristy ho an' izao tontolo izao hafatra fanairana momba ny fiavian'ny Tompo fanindroany; misy vahoaka homanina hijoro eo anatrehany amin'ny fiaviany, "tsy manan-tsiny amam-pondro"- 2 Pet. 3:14. Amin'io fotoana io dia tsy latsa-danja noho ny tamin'ny andron'ny apostoly ny ilan'ny fiangonana ny fanomezana manokana ny fahasoavana sy ny herin'Andriamanitra. (...)

 Ny fiezahan'i Satola hampiseho amin'ny endrika diso ny toetra amam-panahin'Andriamanitra, hahatonga ny olona hankamamy hevi-diso mikasika ny Mpamorona ka hatahotra sy hankahala Azy fa tsy ho tia Azy, ny filofosana nataony hametraka ny lal an' Andriamanitra ka hitarika ny olona hihevitra fa afaka amin'ny fitakian'ny lalana izy; ny fanenjehan'i Satana ireo izay sahy manohitra ny famitahany, dia nitohy tsy niova tamin'ny fotoan'andro rehetra. Azo soritana eo amin' ny tantaran'ireo patriarka, ireo mpaminany sy ireo apostoly, ireo martiora sy ireo mpanavao fivavahana izany.– HM, tt. 14, 15. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal