Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka tsy ho voafitaka

Daty
Alakamisy 11 December 2025

 "Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin 'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery." - Mar. 14:38.

Mofon’aina:
Ireo izay milaza fa nahazo fahazavana vaovao, mametraka ny tenany ho mpitondra fanavaozana, dia hanana hery miasa mangina lehibe amin' ireo sokajin'olona resy lahatra ny amin'ny fisian'ny fihemorana amin'izao taonjato izao ary koa tsy afa-po amin'ny toe-panahin'ny fiangonana. Amin'ny fo marina sy mahitsy no anirian'ireo sokajin'olona ireo hahita fi ovana ho amin'ny tsaratsara kokoa (...). Raha maneho amin'ireo sokajin'olona ireo ny fahamarinana madio sy tsy misy kilema ny mpanompo mahatokin'i Kristy, dia handray izany fahamarinana izany izy ireo, ary hanadio azy ny fankatoavana izany. I Satana kosa hitsivalana amim-pahakingana hatrany eo amin'ny lalan'ireo fanahy mangetaheta ireo. Hisy olona hiseho ho mpitondra fanavaozana hanatona azy ireo, tahaka ny nanatonan'i Satana an' i Kristy sy nisehoany ho toy ny anjelin'ny mazava, ary hitarika azy ireny hiala amin'ny lalan'ny fahamarinana. (...)

Io lehilahy io (izay mitonona ho mpitondra fanavaozana) sy ireo izay voafitany dia tsy tia ny fahamarinana (...). Fahadisoan-kevitra lehibe manao ahoana anefa no mahazo azy ireo satria tsy misy maharikoriko an'Andriamanitra mihoatra noho ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fijangajangana! Feno fampitandremana mahakasika ireo fahotana ireo ao amin'ny Baiboly. Nanoratra tamin' i Titosy i Paoly ny amin'ireo izay "manaiky fa mahalala an 'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny•asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona."- Tit 1:16. 

Amin'izao fotoan'ny faharatsiam-pitondrantena izao, dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ny devoly (...). Maro ireo manana talenta mamirapiratra no manolo-tena hampiasa izany amin'ny fanompoana an'i Satana (...) Ireo anjely, madio sy masina, dia rikoriko raha mijery izany fa i Satana kosa mihoby. (...) 

Amin'ny toe-javatra rehetra, dia fanalam-baraka an'Andriamanitra ny fandikan-dalàna ary ozona ho an'ny taranak'olombelona. Tahaka izany no tsy maintsy hiheverantsika izany, na inona na inona endriny ary na iza na iza no manao azy. — TFC, b. 5, tt. 144-146.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal