Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena

Daty
Alahady 07 December 2025

FANOLORAN-TENA

Vakio ny Jos. 22:1-8. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy Ireo amintsika momba ny fanoloran-tenan'ireo Robeniła sy Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase?

Ambaran'i Josoa fa nahatanteraka ny andraikitra napetrak'i Mosesy sy napetrany (Josoa) taminy ireo foko tany an-dafy atsinanan'i Jordana. Midika izany fa naneho fanoloran-tena manan-danja sy nahafoy tena izy ireo ho tombontsoan'ny Isiraely manontolo. Niara-niady tamin'ireo rahalahiny nandritra ny "andro maro" izy ireo; raha ny marina dia naharitra 6 hatramin'ny 7 taona teo ho eo izany (ampitahao amin'ny Jos. 11:18; Jos. 14:10; Deo. 2:14). Navelany tany amin'ny fonenany avy ny vady aman-janany, tany an-dafy atsinanan'i Jordana, ka nanapa-kevitra ny hiady tamim-pahatokiana niaraka tamin'ireo rahalahiny izy ireo, niatrika ny loza mety handratra na hahafaty azy any an'ady.

Tsipihin'ireo andalan-teny ireo amin'ny fomba tsy mivantana ny lanjan'ny maha-iray ny firenena. Ireo andalan-teny ireo koa no manomana antsika ho amin'ny tohin'ny tantara, izay miompana amin'ny firaisana rehefa zohina. Moa ireo fokon'ny Isiraely hitoetra ao anatin'ny firaisana, na eo aza ny fefy ara-boajanahary mampisaraka azy ireo, dia ny onin'i Jordana izany? Moa ve izy ireo hamela ny jeografia hamaritra ny maha-izy ny fireneny, sa ve ny fiankohofan'izy ireo amin'Andriamanitra iray ihany no havelany hihazona ny maha-firenena Voafidiny azy, dia firenena iray ihany ary matanjaka eo ambany Fitarihany?

Hazavain'i Josoa ny fomba tokana nampitoetra izany fahatokiana izany: tsy ireo Isiraelita namany no nanoloran'izy ireo ny fanompoany fa Yahweh mihitsy, izay nanome azy izany iraka izany.

Hitantsika ao amin'ny TV koa izany foto-kevitra izany. Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba hanaovan'izy ireo fanompoana tahaka ny miasa ho an'Andriamanitra fa tsy ho an'olona (jereo ny Efes. 6:7; Kol. 3:23; 1 Tes. 2:4). Inona moa ny fiantsoana ambony kokoa noho ny fiasana ho an'ilay Mpamorona an'izao rehetra izao?

Matetika isika eo amin'ny fiainana andavanandro no miatrika fihaikana sy olana izay mora manakivy antsika sy mahatonga antsika te hilavo lefona. Mora ny manao izany indraindray, nefa azontsika atao ny miantehitra amin'ny herin'i Jehovah, izay mampanantena fa homba antsika sy hampahery antsika mba hahatanterahantsika izay ampanaoviny antsika. Raha mifantoka amin'ny fiantsoana lehibe kokoa izay lantsoana antsika isika, dia hahazo hery hoenti-mandroso, na eo aza ireo zava-tsarotra tsy azo ialana sy ny fahakiviana tsy afa-misaraka amin'ny fiainantsika olombelona lavo.

Taterin'ny Jos. 22:5,6 ny nananaran'i Josoa an'ireo foko handeha hiverina any amin'ny zara taniny mba hitoetra ho mahatoky amin'i Jehôvah , ary rehela izay dia nitso-drano azy ireo izy. Hanao ahoana ny fiovan'ny fifandraisana eo anivon'ny fiangonana raha mifampivavaka bebe kokoa isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal