Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana

Daty
Alatsinainy 08 December 2025

FIAMPANGANA...

Vakio ny tantaran'ny niverenan'ireo foko tany amin'ny taniny, ao amin'ny Jos. 22:9-20. Inona ny fiampangana nataon'ireo foko tany andrefan'i Jordana tamin'ireo foko avy any an-dafy atsinanan'i Jordana? Hatraiza ny maha marim-pototra izany fiampagana izany?

Tsy tahaka izay hita ao amin'ny and. 1, izay iantsoana ireo foko any an-dafy atsinanan'i Jordana amin'ny anarana fiantsoana azy (Robenita, Gadita, sns) ny fomba fiteny hafa hita eto: "taranak'i Robena sy Gada" ary "ny antsasaky ny firenen'i Manase." Naseho tamin'izany fa samy hafa amin'ny "zanak'Isiraely" izy ireo (Jos. 22:11).

Ao amin'io tantara io, ny fiteny hoe "ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra" dia manondro ireo foko sivy sy ny antsasaky ny fokon'i Manase izay tany an-dafy andrefan'i Jordana irery ihany; izany no nanasongadina ny elanelana nihanitombo teo amin'ireo vondrona roa ireo. Mipetraka ny fanontaniana ao ambadik'io tantara io raha toa mbola azo heverina ho Isiraelita ihany ireo foko tany atsinanan'ny ony.

Fiafarana mahafinaritra no azo heverina fa nandrandraintsika ho an'ny tantara, kanefa fifandirana no indro niseho rehefa nisy ny tatitra momba ny alitara naorin'ireo foko avy any an-dafy atsinanana ireo teo amoron'i Jordana. Tsy ambaran'ny lahatsoratra eto ny antony nananganana ny alitara ary tsy lazalazainy koa ny hetsika manokana ara-pivavahana mifandraika amin'izany. Vao mainka mitombo ny tsy fahazoana antoka mikasika ilay alitara rehefa dinihintsika ny famerenana ny fitantarana ny fiampitana voalohany an'i Jordana, ao amin'ny toko faha-3 sy faha-4, raha niara-niditra teo an-tsisin'i Jordana ny Isiraelita rehetra mba hita ny rano hankao amin'ny tany Kanana. Ampahany tamin'ny Isiraely eto no nankeo Jordana, saingy niampita niverina kosa izy ireo.

Samy ahitana fananganana alitara ao anatin'ireo tranga roa ireo. Ny voalohany dia natao ho fahatsiarovana, fa ny faharoa kosa toa lehibe no fijery azy. Izao ny fanontaniana tsy azo ialana izay tonga ao an-tsaina: "Inona no anton'ireo vato ireo?" (ampitahao amin'ny Jos. 4:6,22). Moa ve naorina hanaovana fanatitra io alitara io, sa natao ho fahatsiarovana fotsiny ihany? Moa ve manomboka tafalatsaka ao anatin'ny fihemorana ireo foko hafa ireo?

Nanome toerana ho an'ny fifandisoan-kevitra, izay mety hiteraka ady mahatsiravina, ny tsy fifampidinihana tamin'i Josoa sy i Eleazara na ireo mpitarika isam-poko.

Inona no tian'i Jesôsy sy i Paoly hambara amin'ny fananarana antsika tsy hitsara ny hafa? Vakio ny Lio. 6:37sy ny Jao. 7:24 ary ny 1 Kôr. Nahoana no mora tokoa ny manao tsoa-kevitra diso mikasika ny antony mandrisika ny hafa hanao zavatra anankiray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal