"Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa hianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo." - 2 Kôr. 13:8,9.
Mofon’aina:
Andriamanitra dia nanendry apostoly, mpitandrina, evanjelisitra ary mpa-mpianatra mba hahatanteraka ny olona masina, ho famitana ny iraka ary ho fampiorenana ny tenan ' i Kristy mandra-pahatonga antsika rehetra ho eo amin'ny firaisan'ny finoana. Hoy Andriamanitra amin'ny vahoakany: "sahan'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo"-1 Kôr. 3:9. Tokony hitohy mandrakariva ny asa. Tokony hanao lala-mahitsy (...) halehan'ny tongony ireo mpanara-dia Azy, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa.
Ireo izay miasa ho an'Andriamanitra dia tsy maintsy manao izany amim-pahendrena mba hanitsy ny marokoroko rehetra eo aminy ary hanome voninahitra an'Andriamanitry ny Isiraely amin'ny fijoroana eo amin'ny fahazavana (...). Amin'izany no hitondrany ny fiangonana handroso sy hiakatra ary hizotra any an-danitra, am in' izany koa no hanoritany ny tsipika mazava kokoa izay mampisaraka azy amin'izao tontolo izao.
(...) Tsy tokony hisy mihitsy fotoana eo amin'ny tantaran'ny fiangonana izay hampitomoe-poana ireo mpiasan'Andriamanitra sy hialany sasatra ka hilazany hoe: "Miadana sy mandry fahizay isika." Ho avy tampoka arnin'izany ny fandravana. Mety mandroso ao anatin'izay toa hita ho firoboroboana ny zavatra rehetra, nefa i Satana dia tsy mandrimandry fa mandinika sy manolo-kevitra ireo anjely ratsiny mba hampiasana ny famelezana izay hahitany fahombiazana. (...)
Arakaraka ny handrosoan'ny asan' ireo vahoakan'Andriamanitra amin-kery voamasina sy tsy azo hozongozonina, ka ananganany ny fanevan'ny fahamarinan'i Kristy ao amin'ny fiangonana (...) no hahatonga ilay fifanandrinana lehibe hihamahery hatrany (...). Hifanandrina ny fisainan' ny andaniny roa, hifandona koa ny drafiny, ary hanohitra ny foto-kevitra avy any an-danitra ny foto-kevitr'i Satana. Ao anatin'izany dingana samy hafa izany, dia hifanandrina amin'ny fahamarinana ny fahadisoan-kevitra izay hitafy endrika samihafa mandrakariva (...) ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. — TMGW, tt. 406, 407.