Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asandrato ny faneva

Daty
Alarobia 17 December 2025

 "Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa hianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo." - 2 Kôr. 13:8,9.

Mofon’aina:
Andriamanitra dia nanendry apostoly, mpitandrina, evanjelisitra ary mpa-mpianatra mba hahatanteraka ny olona masina, ho famitana ny iraka ary ho fampiorenana ny tenan ' i Kristy mandra-pahatonga antsika rehetra ho eo amin'ny firaisan'ny finoana. Hoy Andriamanitra amin'ny vahoakany: "sahan'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo"-1 Kôr. 3:9. Tokony hitohy mandrakariva ny asa. Tokony hanao lala-mahitsy (...) halehan'ny tongony ireo mpanara-dia Azy, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa.

Ireo izay miasa ho an'Andriamanitra dia tsy maintsy manao izany amim-pahendrena mba hanitsy ny marokoroko rehetra eo aminy ary hanome voninahitra an'Andriamanitry ny Isiraely amin'ny fijoroana eo amin'ny fahazavana (...). Amin'izany no hitondrany ny fiangonana handroso sy hiakatra ary hizotra any an-danitra, am in' izany koa no hanoritany ny tsipika mazava kokoa izay mampisaraka azy amin'izao tontolo izao. 

(...) Tsy tokony hisy mihitsy fotoana eo amin'ny tantaran'ny fiangonana izay hampitomoe-poana ireo mpiasan'Andriamanitra sy hialany sasatra ka hilazany hoe: "Miadana sy mandry fahizay isika." Ho avy tampoka arnin'izany ny fandravana. Mety mandroso ao anatin'izay toa hita ho firoboroboana ny zavatra rehetra, nefa i Satana dia tsy mandrimandry fa mandinika sy manolo-kevitra ireo anjely ratsiny mba hampiasana ny famelezana izay hahitany fahombiazana. (...)

Arakaraka ny handrosoan'ny asan' ireo vahoakan'Andriamanitra amin-kery voamasina sy tsy azo hozongozonina, ka ananganany ny fanevan'ny fahamarinan'i Kristy ao amin'ny fiangonana (...) no hahatonga ilay fifanandrinana lehibe hihamahery hatrany (...). Hifanandrina ny fisainan' ny andaniny roa, hifandona koa ny drafiny, ary hanohitra ny foto-kevitra avy any an-danitra ny foto-kevitr'i Satana. Ao anatin'izany dingana samy hafa izany, dia hifanandrina amin'ny fahamarinana ny fahadisoan-kevitra izay hitafy endrika samihafa mandrakariva (...) ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. — TMGW, tt. 406, 407. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal