"Izy nasandratry ny tanana ankavanan 'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an 'ny Isiraely." – Asa. 5:31.
Mofon’aina:
Betsaka ireo izay diso hevitra mikasika ny toetry ny fibebahana. Mihevitra izy fa tsy afaka manatona an'i Kristy raha tsy efa mibebaka aloha, ary izany fibebahana izany no manomana azy handray famelan-keloka. Marina tokoa fa mialoha ny famelan-keloka ny fibebahana; satria ny fo torotoro sy mangorakoraka ihany no hahatsapa fa mila Mpamonjy.
Kanefa moa ve ny mpanota tsy afaka hankeo amin'i Jesosy raha tsy efa nibebaka aloha? Moa ve ny fibebahana natao ho sakana manelanelana ny mpanota amin'ny Mpamonjy? Hoy i Jesosy: "Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. "- Jao. 12:32. ( . . . )
Nanome tari-dalana momba ny pl anin' ny famonjena ny apostoly Paoly. Hoy izy: "ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason 'ny olona ary tao amin 'ny isan-trano; ary nambarako tamin 'ny • Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin 'Andriamanitra sy ny finoana an 'i Jesosy Kristy Tompontsika. "- Asa. 20:20-21. Raha milaza ny amin'ny Mpamonjy indray i Jaona dia hoy izy: "Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy"- 1 Jao. 3:5.
Tsy maintsy manatona an'i Kristy ny mpanota ka manaiky Azy ho Mpamonjy sy hany Mpanampy azy, mba hahatongavany ho amin'ny fibebahana (...) Ny herin'i Kristy no mitarika ho amin'ny fibebahana tena izy. Fanomezana avy amin'i Kristy tahaka ny famelan-keloka koa ny fibebahana, ary tsy mety hita ao amin' ny fo izay tsy niasan'i Jesosy izany. (...) Mitaona ny mpanota amin'ny alalan'ny fanehoany ny Fitiavany teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy, Fitiavana izay manalefaka ny fo sy miasa mahery ao amin'ny fisainana ary manorotoro ny fo sy mitaona ny fanahy hibebaka.— RH, 01 Avrily 1890.