Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamarinina amin’ny alalan’i Kristy

Daty
Zoma 09 January 2026

"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy — 2 Sam. 1 antsika, mba ho tonga fahamarinan 'Andriamanitra ao Aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21.

Mofon’aina:
Tsy niaro ny Zanany ilay Andriamanitry ny   fahamarinana (...) Ny trosa rehetra noho ny fandikana ny lalàn' Andriamanitra dia notakina tamin'ilay Mpanelanelana antsika. Fanavotana feno no nilaina. Ary marina tokoa ny voalazan'i Isaia, manao hoe: "Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy." (...) "Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika." - Isa. 53:10,5.

Nijaly sy nandray ny sazy faratam-pony i Jesosy noho ny fandikantsika lalana, ka afa-po tanteraka ny rariny. Tsy nofoanana ny lalàna; tsy nisy very na dia tsipiriany bitika aza amin'ny heriny fa mijoro amin'ny fahamendrehana masina izy, ary ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana no manambara ny tsy fiovaovany. (...) 

Andriamanitra tsy niaro ny Zanany Lahitokana, fa mba hanehoana ny halalin'ny fitiavany ny olombelona dia foiny ho antsika rehetra Izy. "Indro ny Zanak'ondrin 'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29. Indro Izy, maty teo amin'ny hazo fijaliana. Jereo ilay mitovy amin' Andriamanitra nefa esoin'ny vahoaka sy harabirabiny. Indro Izy tao Getsemane, nihohoka noho ny vesatry ny fahotan'izao tontolo izao.

(...) Henoy ny fitarainany: "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" - Mar. 15:34. Natao toy ny anankiray amin'ny mpanota Izy, mba ho azo hamarinina isika; mba ho marina Andriamanitra nefa koa manamarina ny mpanota. (...)

Tsy hay aseho ny fitiavana eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Tsy hita fetra izany. Ao Kristy no ahitan'Andriamanitra ny hatsaran-tarehy sy ny fahatanterahana izay ao Aminy. Mitalanjôna ry lanitra, ary aoka ho gaga ny tany, satria tsy niaro ny Zanany Andriamanitra fa nahafoy Azy mba hatao ota ho antsika, mba ho azo hamarinina eo anatrehan ' Andriamanitra ao Aminy izay mino.

 Tsy misy tenin'olombelona mahalaza ny fitiavan'Andriamanitra. Inoantsika izany ary ifaliantsika, saingy tsy mety takatsika amin'ny fahafenoany. - Ms 31, 1911.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal