Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana tsy hita fetra.

Daty
Alahady 04 January 2026

 "Tany lavitra any no nisehoan 'i Jehôvah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrarnpo ho anao." – Jer. 31:3.

Mofon’aina:

Tsy ampy hahatakarana ny momba an'Andriamanitra ny fahalalan'olombelona na ny siansa. Tsy ny hitondra poforo momba ilay zava-miafina lehibe no tian'i Kristy hatao fa ny haneho fitiavana tsy hay faritana. (...) Iriny ny handrisika ny saintsika, izay nohalemen'ny fahotana, mba hahatakatra fa Andriamanitra dia fitiavana. (...) Ny rain'ilay zanaka adala no ohatra nofidin'i Kristy hanehoana an'Andriamanitra. lo raim-pianaka-viana io mantsy dia maniry ny hahita sy handray indray ilay zanaka izay nandao azy. Niandry sy nitazana azy izy (...) ary nanantena ny fiverenany. Rehefa tazany nihananatona ny vahiny iray, mahantra sy niakanjo voro-kitsay, dia nivoaka mba hitsena azy izy, andrao mba ny zanany izany. Nofahanany sy notafiany toy ny hoe zanany lahy izany vahiny izany. Azony ny valisoany nony farany, satria niverina tao an-trano tokoa ilay zanany, ary fiaikena feno fitalahoana no teo am-bavany: "Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kola nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony; ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly." - Lio. 15:21-23.

Tsy nisy ny faniniana na ny fitanisana ny faharatsiana vitan' ilay zanaka adala. Tsapan'ity zanaka ity fa efa voavela sy hadino ny lasany, ary voafafa mandrakizay. Tahaka izany koa no ambaran'Andriamanitra amin' ny mpanota: "Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona." - Isa. 44:22. (...) Andrasan'ny lanitra sy iriny fatratra ny hodian'ireo zanaka adala izay mirenireny lavitry ny vala. Marobe amin'ireo izay efa nania no azo taomina hiverina amin'ny alalan'ny fanompoana feno fitiavana ataon'ny zanak'Andriamanitra. (...) Alao sary an-tsaina ny Ray vonton'alahelo, tsy niaro ny Zanany Izy fa nanolotra Azy tsy misy fepetra ho antsika (...) Raha mba takatsika bebe kokoa mantsy ny Fitiavany! – Ms 76, 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal