"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." - Jao. 1:12.
Mofon’aina:
Ny fanekena ifanaovana amin' Andriamanitra no miantoka ny famonjena antsika. "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak 'Andriamanitra." Moa ve irinao amin'ny fo sy ny saina ary ny fanahinao manontolo ny hiditra ao amin'izany fifanekena izany? — Ms 8, 1914.
Mangataha hery sy fahendrena amin'ilay Mpanavotra anao hoenti-manao ny asa fanorenana ny toetra; ataovy amim-pinoana sy amin-toky ombam-pitiavana izany. Hipetraka toy ny mpandrendrika lzy ka hanadio ny volamena sy ny volafotsy ho afaka amin'ny tain-drendrika rehetra. Aoka ianao hibanjina Azy mandrakariva dia tsy ho hita eo amin'ny rafi-toetranao ny tain-drendrika sy ny akora tsy misy vidiny.
Amin'ny finoana no ahafahanao mandray ny fahamendrehan'ny ran'Ilay Zanak'Andriamanitra, izay nalatsany mba hahatonga ny mpanota tsy ho very fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Efa nomen'Andriamanitra an' i Kristy avokoa ny fahefana rehetra hoentiny mamonjy izay rehetra misaraka amin'i Satana ka mandray Azy ho hany fanantenany. (. ,.) Fanapahan-kevitra sarobidy tokoa ny fahavononanao hiara-miasa amin' Ilay mahay manohana anao tsy ho lavo.
Hanasitrana anao tanteraka i Kristy, ilay Mpitsabo lehibe. Hiasa amin-kery miaraka amin'ireo izay manana fahitsiana I zy, hampahatanjaka sy hampandresy azy ireo. Ilay nividy anao ho Fananany no hanaisotra ny toetra ratsy rehetra ao aminao. (...)
Misaraha amin'ilay fahavalo, tapaho ny famatoran'ilay andrian'ny fanapahana eny amin'ny rivotra sy ny legionan'ireo rnpiara-miasa aminy.
Hotoherin' i Satana ny ezaka ataon'ireo mijoro hiandany amin'ny Tompo, ka hampiasainy ny karazana famitahana rehetra mba hanakiviana ny fiezahan'izy ireo. Kanefa efa nomen' Andriamanitra ny Zanany mba hitondra ny fahotan'ireo izay mikatsaka ny Fahamarinany. Vonona lzy hanolotra fahasoavana ho an'izay rehetra mitady Azy amim-pinoana. (...)
Ny fampiasana ny finoana sy ny herim-po mitombandahy no mahalalina kokoa ny fahatakarana ny atao hoe Kristianina. Tokony hikatsaka ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy isika. Hifanandrina amin'ny toetra nolovaina sy ny fironana ho amin'ny ratsy nokolokoloina isika ka tsy rnaintsy miantehitra amin'ilay Kapitenin'ny famonjena antsika. Hataony tokoa izay tandrify Azy. — Ms 8, 1914.