"Miasà amin 'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny famonjena anareo." — Fil. 2:12,13.
Mofon’aina:
Miankina tanteraka amin' Andriamanitra ny olom-belona eo amin'ny asa famonjem-panahy. Tsy haiiiy amin'ny herin'ny tenany samirery ny hanao dingana hankeo amin'i Kristy raha tsy taomin'ny Fanahin'Andriamanitra izy. Eo mandrakariva izany fitaomana izany ary ho eo hatrany raha tsy mampalahelo ny Fanahy Masina izy noho ny fiziriziriany handà. (...)
Ny Fanahy Masina dia maneho tsy tapaka amin'ny fanahy ny topy maso momba ireo zavatra mahakasika an'Andriamanitra, (...) ary raha manaiky ny saina sy misokatra ny varavaran'ny fo, dia hiara-mitoetra amin'izany olona izany i Jesosy. (...)
(...) Raha vantany vao mampirona ny sitrapontsika hifandrindra amin'ny an'Andriamanitra isika, dia efa vonona eo ny fahasoavan'i Kristy hiara-miasa amin'ny olombelona; saingy tsy hisolo antsika hanao ny asantsika izany raha tsy isika mihitsy no manapa-kevitra sy vonona hiasa. Araka izany, dia tsy ny habetsaky ny fahazavana, na ny porofo miavovona, no hanova ny fanahy; tsy izany, fa ny olona ihany, izay mandray ny fahazavana, (...) mahatsapa sy manaiky ny zavatra izay fantany fa marina sy mahitsy ary miara-miasa amin'ireo iraky ny lanitra notendren'Andriamanitra hiasa ho famonjena ny fanahy.
Raha mitoetra ao amin'ny tsy fankatoavana sy ny fahotana ny mpanota sy ny mpikomy, dia mety hamirapiratra manodidina azy ny fahazavana avy any an-danitra saingy tsy hahatapaka ny hery mahasinton'ny lainga sy ny fandrenohan'ny fitak'izao tontolo izao. (...)
Aza mankatò ny feon'ilay mpamitaka, izay mifandrindra amin'ny sitrapo tsy voamasina, fa ny sitrapon'Andriamanitra no ankatoavy. (...) lankinan'ny zavatra rehetra izany. Moa ve ny olona hiara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny "fikasana na ny fanaovana"? Raha mametraka ny sitrapony hiandany amin'Andriamanitra ny olona ka milefitra tanteraka amin'ny Sitrapony, dia hanala ny sakana izay naorin'izy tenany ihany ny ezaka ambony sy masina ataony; ho voafafa tsy ho eo am-baravaran'ny fo ny fakofako ary ho raya ny sakana izay namefy ny fanahy. Hivoha ny varavaran'ny fo ary hiditra ao i Jesosy ka hitoetra ao tahaka ny vahiny raisina amim-pifaliana. - L 135, 1898.