Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray amin'i Kristy

Daty
Talata 27 January 2026

 "Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika." —1 Kôr. 1:9.

Mofon’aina:
Ny tena Kristianina dia mihazona ny varavaran'ny fanahiny hitodika any an-danitra. Miaina ao amin'ny firaisana amin'i Kristy izy, ary mifanaraka tanteraka amin'ny sitrapon Kristy ny sitrapony. Ny faniriany ambony indrindra dia ny hitombo amin'ny fanahafana an'i Kristy hatrany, mba hahafahany miara-milaza amin'i Paoly hoe: "Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko (...)"– Gal. 2:20.

 Amin-kafanam-po sy amin'ny fomba tsy mety sasatra no tokony hiezahana hanatratra ny fenitra napetrak'Andriamanitra hotratrarin-tsika. Tsy ho asa fivalozana izany fa fomba tokana hahazoana ny tena fahasambarana. Ny hany fomba hahazoana fiadanana sy fifaliana dia ny fananana fifandraisana velona amin' Ilay nanolotra ny ainy ho antsika, izay maty mba hananantsika fiainana ary velona mba hanambatra ny Heriny amin'ny ezaka ataon'ireo miezaka mba handresy.

Ny fahamasinana dia ny fifandrin drana tsy tapaky ny toetrantsika amin' ny an'Andriamanitra. Tsy tokony hiezaka ny ho tonga amin'izay anirian' i Kristy antsika fatratra ve isika  ny ho Kristianina amin'ny asa sy ny fahamarinana mba ho hitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiainantsika ny hery mahavonj in' ny fahamarinana? (...)

Ho an' izao tontolo izao manontolo ny fanavotana nataon'i Kristy. Maty teo amin'ny hazo fijaliana lzy mba hanamontsana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, ary koa mba hanaisotra ny fahotan' izay rehetra mino. (...) Ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika no asaina atolotra sy atokana ho an'Andriamanitra.

Ao amin'ny sekoly eto an-tany no asaina ianarantsika ireo lesona izay hanomana antsika ho any amin'ny sekoly ambony kokoa; hitohy any ny fampianarana antsika eo ambany fitarihana manokan'i Kristy. Amin'izay dia hohazavainy amintsika ny hevitry ny Teniny. Amin' izao androm-pahasoavana fohy izay omena antsika izao, moa ve isika tsy hanao toy ny lehilahy sy vehivavy mikatsaka ny fiainana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia ilay fahasambarana mandrakizay? Andeha tsy hafoy ny tombontsoa lehiben'ny fahitana an'i Kristy mivantana sy ny fandrenesana ny feony milaza ny tantaran'ny fanavotana. - RH, 16 Mey 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal