Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray amin'i Kristy

Daty
Talata 27 January 2026

 "Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika." —1 Kôr. 1:9.

Mofon’aina:
Ny tena Kristianina dia mihazona ny varavaran'ny fanahiny hitodika any an-danitra. Miaina ao amin'ny firaisana amin'i Kristy izy, ary mifanaraka tanteraka amin'ny sitrapon Kristy ny sitrapony. Ny faniriany ambony indrindra dia ny hitombo amin'ny fanahafana an'i Kristy hatrany, mba hahafahany miara-milaza amin'i Paoly hoe: "Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko (...)"– Gal. 2:20.

 Amin-kafanam-po sy amin'ny fomba tsy mety sasatra no tokony hiezahana hanatratra ny fenitra napetrak'Andriamanitra hotratrarin-tsika. Tsy ho asa fivalozana izany fa fomba tokana hahazoana ny tena fahasambarana. Ny hany fomba hahazoana fiadanana sy fifaliana dia ny fananana fifandraisana velona amin' Ilay nanolotra ny ainy ho antsika, izay maty mba hananantsika fiainana ary velona mba hanambatra ny Heriny amin'ny ezaka ataon'ireo miezaka mba handresy.

Ny fahamasinana dia ny fifandrin drana tsy tapaky ny toetrantsika amin' ny an'Andriamanitra. Tsy tokony hiezaka ny ho tonga amin'izay anirian' i Kristy antsika fatratra ve isika  ny ho Kristianina amin'ny asa sy ny fahamarinana mba ho hitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiainantsika ny hery mahavonj in' ny fahamarinana? (...)

Ho an' izao tontolo izao manontolo ny fanavotana nataon'i Kristy. Maty teo amin'ny hazo fijaliana lzy mba hanamontsana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, ary koa mba hanaisotra ny fahotan' izay rehetra mino. (...) Ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika no asaina atolotra sy atokana ho an'Andriamanitra.

Ao amin'ny sekoly eto an-tany no asaina ianarantsika ireo lesona izay hanomana antsika ho any amin'ny sekoly ambony kokoa; hitohy any ny fampianarana antsika eo ambany fitarihana manokan'i Kristy. Amin'izay dia hohazavainy amintsika ny hevitry ny Teniny. Amin' izao androm-pahasoavana fohy izay omena antsika izao, moa ve isika tsy hanao toy ny lehilahy sy vehivavy mikatsaka ny fiainana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia ilay fahasambarana mandrakizay? Andeha tsy hafoy ny tombontsoa lehiben'ny fahitana an'i Kristy mivantana sy ny fandrenesana ny feony milaza ny tantaran'ny fanavotana. - RH, 16 Mey 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal