Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasoavana mahagaga!

Daty
Alarobia 28 January 2026

 "Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin 'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. " — Efes. 1:2.

Mofon’aina:
Ho aminareo anie ny fahasoavana." Ny zavatra rehetra dia avy amin'ny fahasoavana omen'Andriamanitra maimaim-poana. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nananganana antsika ho zanak'Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nahatanteraka ny fanavotana sy ny fanavaozana ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin'i Kristy. (...) Na dia mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fanamelohana aza isika noho ny tsy fankatoavana, dia tsy nanary antsika lzy na namela antsika hitolona samirery amin'ny herin'ilay fahavalo. Miady ho antsika ny anjelin'ny lanitra, ary handresy ny herin'ny ratsy isika rehefa miara-miasa amin'izy ireo.

Tsy ho nahalala ny tena hevitry ny hoe "fahasoavana" mihitsy isika raha tsy lavo. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy manota, izay manompo Azy sy mankatù ny baikony rehetra, saingy tsy omeny fahasoavana. (...) Ny fahasoavana dia toetra manokana ananan'Andriamanitra, izay asehony amin'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no nitady izany, fa nomena izany mba hitady antsika. Mahafaly an'Andriamanitra ny mandrotsaka izany fahasoavana izany ho an'izay rehetra maniry azy fatratra (...). Ny filantsika ny fahasoavana no manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany isika. - RH, 15 Oktôbra 1908.

Ny fahasoavan' Andriaman itra dia miandry ny fangatahana ataon'ny fanahy mpanota tsirairay. Hositraniny ireo aretim-panahy rehetra. Ny fahasoavana no manadio ny fo amin'ny fahalotoana rehetra. Izany no fanafody atolotry ny Filazantsara ho an'izay rehetra mino. - Ms 75a, 1900.

Mety mandroso isan'andro ny diantsika eo amin'ny lalana mankamin' ny fahamasinana, nefa tsapantsika fa mbola misy haavo tokony hotratrarina ihany. Ny ezaka ara-panahy tsirairay izay atao anefa, ny fizahan-toetra mihatra amin'ny fo sy ny saina, no mampiseho ny fahasoavana be dia be ilaintsika eo am-pandrosoana. 

Arakaraka ny hisaintsainantsika lalina momba ireo harena ireo no hahazoantsika azy ary koa hanehoantsika bebe kokoa ny fahamen-drehan'ny sorona nataon'i Kristy sy ny fiarovan'ny fahamarinany, ny fitiavany tsy hay lazaina sy ny fahafenoan'ny fahendreny, ary ny fahefana ananany izay entiny maneho antsika ho tsy misy tsiny na pentimpentina (...) eo anatrehan'ny Ray. - Ms 20, 1899. tsika sy Jesosy Kristy Tompo. " — Efes. 1:2. 
Ho aminareo anie ny fahasoavana." Ny zavatra rehetra dia avy amin'ny fahasoavana omen'Andriamanitra maimaim-poana. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nananganana antsika ho zanak'Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nahatanteraka ny fanavotana sy ny fanavaozana ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin'i Kristy. (...) Na dia mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fanamelohana aza isika noho ny tsy fankatoavana, dia tsy nanary antsika lzy na namela antsika hitolona samirery amin'ny herin'ilay fahavalo. Miady ho antsika ny anjelin'ny lanitra, ary handresy ny herin'ny ratsy isika rehefa miara-miasa amin'izy ireo. Tsy ho nahalala ny tena hevitry ny hoe "fahasoavana" mihitsy isika raha tsy lavo. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy manota, izay manompo Azy sy mankatù ny baikony rehetra, saingy tsy omeny fahasoavana. (...) Ny fahasoavana dia toetra manokana ananan'Andriamanitra, izay asehony amin'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no nitady izany, fa nomena izany mba hitady antsika. Mahafaly an'Andriamanitra ny mandrotsaka izany fahasoavana izany ho an'izay rehetra maniry azy fatratra (...). Ny filantsika ny fahasoavana no manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany isika. - RH, 15 Oktôbra 1908. 
Ny fahasoavan' Andriaman itra dia miandry ny fangatahana ataon'ny fanahy mpanota tsirairay. Hositraniny ireo aretim-panahy rehetra. Ny fahasoavana no manadio ny fo amin'ny fahalotoana rehetra. Izany no fanafody atolotry ny Filazantsara ho an'izay rehetra mino. - Ms 75a, 1900. Mety mandroso isan'andro ny diantsika eo amin'ny lalana mankamin' ny fahamasinana, nefa tsapantsika fa mbola misy haavo tokony hotratrarina ihany. Ny ezaka ara-panahy tsirairay izay atao anefa, ny fizahan-toetra mihatra amin'ny fo sy ny saina, no mampiseho ny fahasoavana be dia be ilaintsika eo am-pandrosoana. Arakaraka ny hisaintsainantsika lalina momba ireo harena ireo no hahazoantsika azy ary koa hanehoantsika bebe kokoa ny fahamen-drehan'ny sorona nataon'i Kristy sy ny fiarovan'ny fahamarinany, ny fitiavany tsy hay lazaina sy ny fahafenoan'ny fahendreny, ary ny fahefana ananany izay entiny maneho antsika ho tsy misy tsiny na pentimpentina (...) eo anatrehan'ny Ray. - Ms 20, 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal