"Ary ny fiadanan 'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy." — Fil. 4:7.
Mofon’aina:
Nanimba ny fiadanantsika ny fahotana. Tsy afaka ny hahita fitsaharana isika raha tsy efa milefitra ny "izaho". Tsy misy herin'olombelona mahay mifehy ny firehetam-pony. Toy ireo mpianatra tsy nahavita na inona na inona nanoloana ny tafio-drivotra mafy isika. Kanefa Ilay nampitony ny onjan'i Galilia tamin'ny teniny no manonona tenim-piadanana ho an'ny fanahy tsirairay. Na toy ny ahoana aza ny hamafin'ny tafiotra, dia hahazo famonjena ireo izay mitodika amin'i Jesosy ka miantso hoe "Vonjeo izahay Tompo o!" Ny fahasoavany, izay mampihavana ny fanahy amin'Andriamanitra, no nampitony ny fihetsehampo sy ny faniriana mirehitra ao am-pon'olombelona ka hitsahatra ao amin'ny Fitiavany ny fo. (...)
Na iza na iza manaiky hamoy ny fahotana ka hanokatra ny fony handray ny fitiavan'i Kristy dia ho mpiombona amin'izany fiadanan'ny lanitra izany. Tsy misy mety hahazoam-piadanana ankoatra izany. Ny fahasoavan' i Kristy, raha raisina ao am-po, dia handresy ny fankahalana; hampitsahatra ny fifandirana izany ary hameno fitiavana ny fo. Tsy ho azom-pahoriana izay mihavana amin'Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Tsy honina ao anatiny ny fitsiriritana, tsy hanana toerana ao ny fileferana amin'ny faharatsiana ary tsy ho hita ao ny fankahalana. (...) Ho toy ny ando ho an'ny fo ketraka sy mavesatra vokatry ny ady eto amin'izao tontolo izao ny fanahin'ny fiadanana.
Nirahina ho amin'izao tontolo izao hitondra ny hafatry ny fiadanana ireo mpanara-dia an'i Kristy. Na iza na iza hanambara ny fitiavan' i Kristy, amin'ny alalan'ny hery miasa manginan'ny fiainana feno fahamasinana izay miseho ho azy ety ivelany, ary na iza na iza hitaona ny hafa hiala amin'ny fahotana sy hanolotra ny fony ho an'Andriamanitra, na amin'ny teny na amin'ny asa, dia mpampihavana izy.
(...) Hanodidina azy ireo ny hanitr'i Kristy. Ny hanitry ny fiainana sy ny hatsaran'ny toetra amam-panahy, dia samy maneho amin'izao tontolo izao fa zanak'Andriamanitra izy. Ary ho fantatry ny olona amin'izany fa miaraka am;n'i Jesosy izy ireo. - RH, 15 Oktôbra 1908.