Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zava-miafina lehibe indrindra

Daty
Alarobia 04 February 2026

"Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra ho fikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. - Fil. 2:6-8.

Mofon’aina:
Tsy nahitana pentin'ota teo amin'i Kristy, nefa notafiany ny maha olombelona ka niaretany ny famelezana nivaivay indrindra sy ny fakam-panahy lehibe indrindra nataon'ilay fahavalo ary ny alahelo lalina indrindra nampitondrainy. (...) Tonga tahaka ireo rahalahiny lzy mba hanehoany fa amin'ny alalan'ny fahasoavana, dia afaka mandresy ny fakam-panahy (...) ny olombelona (...) Hoy lzy: "(...) inty Aho tonga - ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy. - Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko" - Sal. 40:7-8. lza no nanao fanambarana tahaka izany ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany? Hoy i Isaia: "Fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahv no amena antsika; arv ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga. Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana." — Isa. 9:5. 

"Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin 'Andriamanitra. ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra: ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza." "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika." - Jao. 1:1-3, 14. (... )

"Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin 'ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy,- hitan’ny anjely, notorina tany amin 'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra." — 1 Tim. 3:16. "Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesôsy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray. " — Fil. 2:9-11. "(...) Izy no endrik 'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan 'izao zavatra ary rehetra izao. —Kôl. 1:15. 
Ny fahatongavan'i Kristy ho nofo no zava-miafina lehibe indrindra. - L 276, 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal