"Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an 'Andriamanitra amin 'ny tenanareo. " - 1 Kôr. 6:20.
Mofon’aina:
Endrey ny fanoloran-tenan'i Kristy tamin'ny fanatan-terahany ny asa famonjena antsika! Fanoloran-tena toy ny ahoana no nasehon'ny fiainany tamin'ny nikatsahany hanome tombambidy ny olombelona lavo, nomeny ny mpanota tsirairay izay mibebaka sy mino ny fahamendrehan'ny fahamarinany tsy misy pentina! Niasa tsy nety sasatra Izy! . Nitory ny filazantsara Izy ary nanasitrana ny marary tao amin'ny tempoly sy ny synagoga, teny an-dalam-ben'ny tanàna, teny an-tsena, tany amin'ny trano fiasana, teny amoron-dranomasina ary teny an-tampon-kavoana. Natolony manontolo ny Tenany mba hahatanteraka ny drafitr' ilay fahasoavana mahavotra.
Tsy noterena hanao izany sorona lehibe izany i Kristy. An-tsitrapo no nanekeny hizaka ny sazin'ny mpandika lalàna. (...) Tsy mba nimonomonona Izy fa niaritra ny fahoriana rehetra ary nandray ny zava-tsy mendrika rehetra natao Taminy ho isan'ny drafi-pamonjena.
Fiainam-panompoana tsy ni sy fitiavan-tena ny fiainan' i Kristy, ary bokin-desona ho antsika izany. Tokony hanohy izay natombony isika. Manoloana ny Fiainany feno asa mafy sy fahafoizan-tena, moa ve ireo izay mitonona ho mpanara-dia Azy hisalasala tsy handà tena sy hitondra ny hazo fijaliana ary hanaraka Azy? Nietry ho ambany indrindra Izy mba hanandratana antsika ho amin'ny fahadiovana sy ny fahamasinana ary ny fahatanterahana ambony indrindra. Tonga nahantra Izy mba handrotsahany ny fahafenoan' ny hareny ho an' ny fanahintsika mahantra. Niaretany ny fahafaham-barakan'ny hazo fijaliana, mba hananantsika. fiadanana sy fitsaharana ary fifaliana, ary mba hahatonga antsika hanana anjara amin'ny voninahitry ny seza fi andrianany. ( ...)
Moa ve tsy tokony hatolotsika an'Andriamanitra izay rehetra efa navotany, ny fitiavana nohamasininy, ny tena izay novidiny, mba hohazonina ho masina? (...)
Ny tena fivavahana kristianina dia mampiely fitiavana manerana ny lafim-piainana manontolo. Mikasika ny momba antsika rehetra izany - ny saina, ny fo, ny tanana manampy ary ny tongotra — ka mampijoro tsara ny olona eo am in' izay asain ' Andriamanitra ijoroany. (...) Azontsika atao ny hanahaka ilay Tomponts i ka any an-danitra. Azontsika ianarana ny si ansan' ny fiainana ara-panahy. Azontsika atao ny manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny tenantsika sy ny fanahintsika, izay Azy. - RH, 4 Avrily 1912.