"Havotako tsy ho azon 'ny herin 'ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?" Hôs. 13:14.
Mofon’aina:
Gaga tokoa ny lanitra manontolo nahita ny fomba nandraisan'izao tontolo izao Ilay Komandin'izy ireo be fitiavana! lzy no nahary izao tontolo izao, kanefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Nanda Azy ny namany, nandao sy namadika Azy. Niharan'ny fakam-panahy Izy. Nampahory ny fanahiny masina ny fi jalian'ny olombelona. Nokapohina mafy sy noratraina Izy. Nofantsihina ny tanany, ary nosatrohan-tsilo ny Iohany. (...) Ny asan'i Satana sy ny tetiny no nahatonga ny fiainan'i Kristy nifandimbiasan'ny fahoriana sy ny alahelo toy izany, ary nahatonga ny fahafatesany mihitsy aza nony farany. (...)
Tamin'ny fahafatesany anefa no nandringanan' i Kristy ilay manana ny herin' ny fahafatesana. Notanterahiny ilay drafitra, novitainy ilay asa nekeny hatao hatram in' ny fahalavoan' i Adama. Tamin' ny alalan'ny fahafatesany noho ny heloka sy ny fahotan'izao tontolo izao no namerenany ny olombelona lavo ho eo amin'ny toerany tany am-boalohany, dia eo amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Ary rehefa tsy nahatazona azy ny fasana ka nitsangana tamin'ny maty lzy, dia novaliany ilay fanontaniana hoe: "Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? " — Jôba 14:14. Nataon'i Kristy ho azon' ny taranalei Adama atao ny handresy ny ota amin'ny alalan'ny fiainam-pankatoavana, sy hitsangana avy ao am-pasana ho amin'ny fiainana mandrakizay, izay novidin'i Kristy tamin'ny rany.
Ny fijaliana mafy n iaretan' ny Zanak' Andriamanitra no nahazoantsika famonjena. Nizaka fahoriana sy alahelo ary fanaintainana ny fony masina noho ny vokatry ny fahotan'i Adama teo amin'ny taranak'olombelona.
Torotoro tokoa ny ombelahin-tongotr'i Kristy rehefa nijaly ny maha-olombelona Azy, ary alahelo mavesatra lavitra noho izay mety ho tsapan'ny olombelona voariny no namesatra ny fanahiny teo am-pandoavana ny trosa lehiben'ny olombelona tamin' Andriamanitra. — Ms, 75, 1886.
Nasehon'Andriamanitra mazava tamin'ny nahatongavany ho olombelona ny fiainana sy ny tsy fahafatesana, tamin'ny alalan'ny filazantsara. - TFC. 6, tt. 230,231.