"Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben 'ny famindram-pony ho amin 'ny fanantenana velona tamin 'ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin 'ny maty, ho amin 'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo" - 1 Pet. 1:3-4.
Mofon’aina:
Tsy tokony hanome fifaliana sy fahatokiana lehibe ho antsika ve io fanantenana velona io, toy ny ho an'ireo mpianatra tao amin'ny fiangonana voalohany? Tsy voahidy tao amin'ny fasam-baovaon'i Josefa intsony i Kristy. Efa mitsangana izy ary niakatra any an-danitra, koa tokony hasehontsika ny finoantsika mba hahitan'izao tontolo izao fa manana fanantenana velona isika. (...)
Manana fototra iorenana ny fana-ntenantsika. Tsy mety simba ny lovantsika. Ary tsy nofinofy fotsiny izany. — RH, 6 Aogôsitra 1889.
Mamaky momba ny fitsangananli Kristy taminsny maty isika ao amin'ny Baiboly. Raha inoantsika izany, moa ve miasa araka izany finoana izany isika? Mino ve isika fa Mpamonjy velona i Jesosy (...)? Manao fanelanelanana ho antsika any an-danitra Izy izao. Any lzy satria mi la namana isika eo anatrehan' io fitsarana io, dia Mpisolovava sy Mpanalalana antsika. Koa aoka isika hifaly satria manana antony maro hiderana an' Andriamanitra.
Maro no manombana ny toe-panahinyamin'nyalalan'nyfihetseham-pony; tsy azo itokiana anefa izany. Tsy rniankina amin'ny fihetseham-pontsika ny fiainana maha kristianina antsika, fa amin'ny alalan'ny hatsaran'ny fifandraisantsika amin'ny lanitra. Aoka hinoantsika ny tenin'Andriamanitra, araka izay ilazany azy indrindra; aoka horaisintsika amin'ny teniny i Kristy, amin'ny finoana fa tonga lzy mba hanambara ny Ray, ary ny Ray dia namantsika, satria niseho tao amin'i Kristy [zy, ary tsy tiany ho very isika, ka nomeny antsika ny Zanany ho sorona ho antsika. Antoka mandrakizay ho antsika tsirairay ny hazo fijalian'i Kalvary fa tian'Andriamanitra ho sambatra isika, ary tsy any amin'ilay fiainana ho avy ihany, fa eto amin'ity fiainana ity koa. — RH, 8 Marsa 1892.
Mahatonga ny fahatezerana sy ny fitsaran'Andriamanitra ho amin'ireo izay mandà ny famindram-pony ny fahafatesan'i Kristy, fa fanantenana sy fiainana mandrakizay kola izany ho an'ireo izay mandray sy mino Azy. — TMGW, t. 139.