Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanorenana azo antoka ho antsika

Daty
Talata 10 February 2026

 "Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin 'ny fanorenana, dia aseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin 'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra." — 1 Kôr. 3:11-13.

Mofon’aina:
Tahaka ny afo mampiseho sy manavaka ny volamena, ny volafotsy, ny vato tsara, ny hazo, ny bozaka, ary ny mololo, dia toy izany koa ny andro fitsarana izay hisedra ny toetran'ny olona, ka ho hita miavaka ny toetra voatefy tahaka ny an'i Kristy sy ny toetra voavolavolan'ny fo feno fitiavan-tena. (...) Ho levona izay rehetra tsy misy vidiny, fa ny tena volamena kosa, dia ny finoana tsotra sy manetry tena, dia tsy ho levona mandrakizay; tsy mba mety lo mantsy izany. — SDABC, b. 6, tt. 1087,1088. 

Na iza na iza dia mety ho tonga araka izay tiany hahatongavana. Tsy azo amin'ny alalan'ny fanabeazana, na amin'ny fanangonan-karena, na fahazoana von i nahitra araka izao tontolo izao, ny toetra maha-izy ny olona iray. (...) Mila manohitra mandrakariva ny herin'ny maizina isika raha irintsika ny hitehirizana ny anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy tsara lavitra ve ny hanana ny anarantsika ao amin'izany boky izany mba hiarahantsika monina amin'ny anjelin'ny lanitramandrakizay, toy izay ny hoderaina eto amin'ity tany ity? — RH, 21 Desambra 1886.

Mandritra ny androm-pahasoavana omena antsika eto dia samy manorina toetra hotsarain'Ilay Mpitsara ny tany rehetra isika. (...) Ny asa tsirairay ataontsika eo amin'ny fiainana dia toy ny vato arafitra ho trano iray, ny fahaiza-inanao tsirairay no mpandrafitra azy, ny kapoka tsirairay amin'izany dia na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina mba handinika tsara raha azo antoka ny fanorenantsika. Raha eo ambonin'ny vatolampy isika no manorina, eo amin'ny asa madio sy mendrika ary marina, dia ho kanto sy tsara rafitra ny tranontsika, ho tempoly azon' ny Fanahy Masina onenana. — Y1, 10 Jona 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal