"Fa isika rehetra kosa amin 'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy." - 2 Kor. 3:18.
Mofon’aina:
Raha mibanjina ( ...) ny masoandro amin'ny famirapiratany amin'ny mitataovovona isika, dia ho hitantsika eo amin'izay rehetra jerentsika ny sariny rehefa miala eo ny masontsika. Tahaka izany no mitranga rehefa mibanjina an' i Jesosy isika; haneho ny Endrik'ilay Masoandron'ny faha-marinana izay rehetra jerentsika. (...) Voarakitra ao amin'ny masom-panahy ny Endriny ka hanana hely miasa mangina amin'ny lafim-piainantsika isan'andro, hampalefaka sy hampitony ny toetrantsika. Rehefa mibanjina Azy isika dia ho tonga amin'ny fanahafana an'Andriamanitra (...). Ho hita eo amin'izay rehetra mifandray amintsika ny taratra mamirapiratry ny Fahamarinany. - TMGW, tt. 388, 389.
Ohatra tonga lafatra ny amin'izay tokony ho toetrantsika i Jesosy. Nitandrina fatratra ny didin'ny Rainy Izy, kanefa niaina tao anatin'ny fahalalahana tanteraka. Nanana ny hafanam-pon' izay manana zotom-panahy Izy nefa tony sy malefaka ary nahafehy tena. Nasandratra ambonin'ny raharahan' izao tontolo izao Izy, nefa tsy nanava-tena tamin'ny fiaraha-monina. Niara-nihinana tamin'ny mpamory hetra sy ny mpanota lzy, niara-nilalao tamin'ny ankizy madinika, ary nitrotro azy ireny sy nitso-drano azy. (...) Mpitia ny hatsaran-tarehy teo amin'ny natiora Izy ary nampiasainy ny lilia mba hanehoana ny tombambidin'ny fahatsorana eo imason'Andriamanitra (...). Nampiasainy hanehoana faha-marinana miezinezina ny asan'ny mpiasa tany. (...)
Tsy mba nitotongana ho firehetam-po ny hafanam-pony, ary tsy tonga kiry feno fitiavan-tena ny faharetany. Tsy mba mariky ny fahalemena ny fahafoizan-tenany ary tsy niorina tarn i n' ny fihetsehampo ny fangorahany. Nakambany tamin'ny tsy fananan-tsiny sy ny fahatsoran'ny zaza ny tanjaky ny lehilahy lehibe, ary nakambany tamin' ny fileferana amin' Andriamanitra ny fitiavana ny olombelona. Nanana fahamendrehana nandresy lafatra Izy, izay nampiarahiny tamin'ny fanetren-tena maha-te ho tia. Naneho toetra hentitra tsy azo nohozongozonina Izy, izay nampiarahiny tamin'ny fahalemem-panahy. Enga anie isika mba hiaina isan'andro ao anatin'ny firaisana ety amin' izany toetra tonga lafatra izany. - L 66, 1878
Tsy manana modely enina na dimy natao harahina isika, fa tokana ihany, dia Kristy Jesosy izany. - TFC b.9, t. 181.