Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainana be dia be

Daty
Alatsinainy 23 February 2026

« Izaho a y ma hananany fiainana, sady hananany be dia be »- Jao. 10.10

Mofon’aina:
Tsy mety hisy fitiavan-tena eo amin'ny fiainan' izay rehetra mifandray amin'i Kristy. Manana sana midadasika hampiasana ny fahaizany sy ny heriny ireo izay tia an'i Jesosy amin'ny fo sy ny saina ary ny fanahiny, sady tia ny namany tahaka ny tenany. Tsy misy talenta tokony hampiasaina ho fanomezana fahafaham-po ny tena fotsiny. Tsy maintsy maty ny «izaho», ary ny fiainantsika miafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

Tian'ny Tompo ho tsapantsika ny tombambidin'ny fanahintsika —araka ny fahatakarantsika ny sandany naloan'i Kristy ho azy. (...) Maty i Jesosy mba hanavotana ny olombelona amin'ny fandringanana mandrakizay. Fananana novidina, izany no tokony handraisantsika ny tenantsika. "Tsy tompon 'ny tenanareo hianareo." "Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an 'Andriamanitra amin'ny tenanareo." - 1 Kôr. 6:19,20. An'ny Tompo avokoa ny herin'ny saintsika sy ny fanahintsika ary ny tenantsika. Ny fotoantsika dia Azy. Tokony hanao izay rehetra azo atao isika hahatsara ny fanompoantsika Azy, amin'ny fifandraisana tsy tapaka amin'i Kristy, sy amin'ny fisaintsainana isan'andro ny sorona lafo vidy nataony ho antsika mba hahatonga antsika ho fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy.

Ireo izay manafoana ny tenany, ka mandinika sy mihevitra tsara, dia maneho fanajana fatratra sy fanetren-tena lalina raha manandratra ny masony mijery an'i Kristy, Ilay Mpamonjy velona. Ny fibanjinana mandrakariva an'i Jesosy dia hahatonga ny fanahy ho velona ho an'Andriamanitra. Ho tia an'i Jesosy isika, ho tia ny Ray izay naniraka Azy ho amin'izao tontolo izao, satria hitantsika amin'ny fahazavany mahagaga Izy, feno fahasoavana sy fahamarinana. Hoy i Jesosy: `Wy zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy." - Mat. 11:27 (...) "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et)) an-tant' " – Mat. 28:18. Nahoana? Mba hizarany fanomezam-pahasoavaria ho an'ny olona, mba hahazoan' izy ireo mampiasa ny heriny rehetra hanehoana amin'izao tontolo izao ny fitiavana mahagaga izay nitiavany antsika.

 Rehefa tombanantsika eo ambanin'. ny hazavan'ny hazo fijalian'i Kalvary ny talenta rehetra ananantsika, dia ho velona ho an'i Kristy isika ary hamela ny fahazavantsika hamirapiratra eo imason'ny olona, hany ka tsy mety hisy fitiavan-tena velively ny fiainantsika. –L, 23, 1890. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal