"Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany." - Jak. 1:5.
Mofon’aina:
Tombontsoa ho an'ny Kristianina tsirairay ny miresaka am in 'Andriamanitra ao amin'ny mangingina raha vao manomboka ny tontolo androny, ary avy eo, ny miresaka amin'ny hafa amin'ny maha mpitondra hafatr'Andriamanitra azy. Mila mandray fahazavana sy fitahiana isan'andro isika mba hanan-javatra hozaraina amin'ny hafa. Ilaina ankehitriny ny lehilahy sy vehivavy mifandray amin'Andriamanitra sy manana an'i Kristy mitoetra ao anatiny, izay manana hery miasa mangina feno fahamasinana satria miara-miasa amin'ireo anjely masina. (...)
Rehefa mandohalika sy mitalaho eo anatrehan'Andriamanitra ny mpino, ka maneho ny fangatahany amim-panetren-tena sy fo torotoro, amin'ny teny tsotra sy marina, dia manjary hadinony ny momba ny tenany. Inona no tokony hananako mba hamolavolako toetra tahaka ny an'i Kristy? Izany no mameno ny sainy. Hivavaka toy izao izy: "Tompo ô! Raha ilainao ho fantsona hikorianan'ny fitiavanao isan'andro sy isan'ora aho, dia mangataka amim-pinoana ny fahasoavana sy ny hery efa nampanantenainao ho ahy." Fikiriny mafy ilay teny fikasana hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra (..) ary dia homena azy izany."
Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny fiankinantsika Aminy toy izany! FM}, Izy mandre ny vavaka mafana ataontsika tsy tahaka! (...) Amin'ny haren'ny fahasoavany mahagaga no hanamasinany ny mpivavaka feno fanetren-tena, ka omeny hery izy mba hahatanteraka ny andraikitra sarotra indrindra. Atao ho an'ny Tompo avokoa ny asa rehetra, ka manandratra sy manamasina ny fanompoana hatramin'ny bitika indrindra izany. Manjary manana fahamendrehana vaovao ny teny rehetra sy ny fihetsika rehetra, ary mifandray amin'ny anjely ambony indrindra any an-danitra ny mpiasa tsotra indrindra. (...)
Manana asa lehibe atao eto amin'izao tontolo izao ireo zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. (...) Natao hampiely fahazavana izy ireo. (...) Ny tenin'i Kristy no hambaran'izy ireo. Ho hita amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny fa voaova fo isan'andro ho amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo. Zava-mahagaga dinihin' izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona ny mpino toy izany, ary homem-boninahitra ao amin'izy ireo Andriamanitra. - RH, 4 Marsa 1909.