"Matokia Azy mandrakariva hianareo, ry olona,. loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." - Sal. 62:8.
Mofon’aina:
Ny vavaka dia fanokafana ny fo amin'Andriamanitra toy ny amin'ny sakaiza. Ny masom-pinoana dia hahita fa akaiky tokoa Andriamanitra, ary afaka mahazo porofo sarobidin'ny fitiavana sy ny fikarakaran'Andriamanitra azy ilay mpivavaka. Nahoana àry no maro ny vavaka izay tsy voavaly na oviana na oviana? (...) Manome teny fikasana antsika ny Tompo manao hoe: "Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra." — Jer. 25:13. Hoy indray Izy amin'ireo "tsy mitaraina Aminy ao am-pony" - Hôs. 7:14: ny fangatahana toy izany dia vavaka izay fombafomba ivelany fotsiny, fanompoana imolotra fotsiny, izay tsy eken'ny Tompo. (...)
Tena ilaina ny vavaka, vavaka fitalahoana amin'ny fo sy mafana indrindra, tahaka ny vavaka nataon'i Davida: "Tahaka ni' diera mihanahana maniry ny rano an-ony no anirianiny fanahiko Anao, Andriamanitra ô." "Manina ny didinao aho", "Manina ny famonjenao aho, Jehovah ô," "Manina sady vonton 'alahelo ny kianjan 'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an 'Andriamanitra velona. " "Torotoro nyfanahiko noho ny faniriany ny fitstpikao mandrakariva." — Sal. 42:1; 119:40, 174; Sal. 84:2; 119:20). Toy izany ny fitolomana amim-bavaka (...).
lzao no voalaza momba an'i Kristy: "Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimaj5/ kokoa; aryny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany." - Lio. 22:44. Samy hafa tanteraka amin'io vavaka fanelanelanana nataon'ny Mpanjakan'ny lanitra io ny vavaka malemy sy tsy misy aina asandratry ny olona amin'Andriamanitra. Maro no manompo imolotra fotsiny, fa vitsy no tena manam-paniriana marina sy lalina, ary feno fitiavana an'Andriamanitra.
Ny firaisana amin'Andriamanitra dia mahatonga ny fanahy hahalala tsara ny sitrapon'Andriamanitra. Ny fivavahana marina dia atao amin'ny herim-panahy ary misy fiantraikany eo amin'ny fiainana. Izay mamboraka ny faniriany eo anatrehan'Andriamanitra toy izany dia mahatsapa fa zava-poana avokoa ny zavatra hafa rehetra etf ambanin'ny lanitra. — TFC, b. 4, tt. 533,535.
Hivavaka amin'ny fo tsy mety sasatra ianao, ka tsy hanaiky raha tsy mahazo valiny. Izany no atao hoe finoana. — Ms 8, 1892.