"Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin 'ny Zanaka. " - Jao. 14:13.
Mofon’aina:
Mahazo matoky an' Andriamanitra isika; mahavelom-pisaorana ahy izany! Ary heni-boninahitra ny Tompo rehefa matoky Azy isika, ka mametraka eo Aminy ny fanahiantsika rehetra (...). Hitan'i Jehovah Andriamanitra fa tsy feno ny drafi-pamonjena raha ny fihetseham-pony feno fitiavana fotsiny no nitserany antsika. Koa nanendry Solovava Izy, izay olombelona tahaka antsika, hapetraka eo amin'ny alitarany. lzy no hanalalana antsika sy haneho antsika eo anatrehan'Andriamanitra ho toy ny zanakalahiny sy zanakavaviny. Mifona ho an' izay rehetra mandray Azy i Kristy. Omeny hery ireo, noho ny fahamendrehan'ny Tenany, ho tonga isan'ny ankohonan'Andriamanitra, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Ary nasehon'ny Ray ny fitiavany tsy manam-petra an'i Kristy, Izay nandoa ny saran'ny fanavotana antsika tamin'ny rany, ka izay sakaizan' i Kristy dia sakaizany koa. Afa-po tamin'ny asa fanavotana natao lzy. Ankalazaina Izy noho nahatongavan'ny Zanany ho nofo, ny fiainany, ny fahafatesany, ary ny asa fanelanelana nataony.
Misandratra any amin'ny Ray amin' ny anaran'i Kristy ny fangatahan-tsika. Manao fanelanelanana ho antsika i Kristy. Ary Andriamanitra manome malalaka antsika ny harem-pahasoavany mba ho faly sy hizara izany amin'ny hafa isika. "Mangataha amin'ny Anarako" hoy i Kristy; "tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy (...) Koa mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo."
Endrey ny hasoavany! Tombontsoa lehibe tokoa no omena antsika! I Kristy no mampifandray ny olombelona amin'Andriamanitra (...). Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy isika dia mitafy ny akanjom-pisoronany. Apetrany eo anilany isika, sakambinin'ny sandriny maha olombelona Azy, ary ny sandriny maha Andriamanitra Azy kola mamikitra ny seza fiandrianan'Ilay Mandrakizay. Apetrany eo an-tanantsika toy ny ditin-kazo manitra ao anaty lovia ny fahamendrehany, mba hampaherezany antsika hivavaka. Nanome toky lzy fa hihaino sy hamaly ny fitalahoantsika. Eny, tonga Mpanelanelana amintsika sy Andriamanitra i Kristy ao anatin'ny vavaka, ary amin'ny alalany koa no hiampitan'ny fitahiana avy amin'Andriamanitra ho amintsika. Nampiraisiny ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona. - L, 22, 1898.