Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay mpanalalana antsika

Daty
Zoma 13 March 2026

 "Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan’ Andriarnanitra ary mifona ho antsika." - Rôm. 8:34.

Mofon’aina:
Manao fanelanelanana ho anao manokana ny Tompo Jesosy (...). Averimbereno imbetsaka mandritra ny andro ny hoe: "Maty ho ahy i Jesosy. "Maty ho ahy i Jesosy. Hitany aho fa very, vonona ho amin'ny fandringanana, dia nafoiny hamonjena ahy ny ainy. Tsy mba tahaka ny an'ny olona lozabe ny fijeriny ny fanahy mangovitra mitalaho sy miankohoka eo an-tongony, ary tsy maintsy hanarina ahy Izy." Tonga Solovavan'ny olona izy. Asandrany ireo izay mino Azy ary vonona Izy handrotsaka ny harem-pitahiana avy ao amin'ny trano firaketany ho azy ireo araka izay ilainy. Tsy misy olona mahay mitahy ny olona namany; tsy mahaisotra na pentin'ota iray aza izy. Ny fahamendrehan'i Kristy sy ny fahamarinany ihany no if aina, kanefa dia omena antsika amin'ny fahafenoany tanteraka izany. Azontsika antsoina amin'ny fotoana rehetra Izy. Rehefa mitodika Aminy isika dia hoy Izy hoe: "Inty Aho". (...) 

Nanambara ny Tenany ho Ilay mpanao fanelanelanana ho antsika i Kristy. Tiany ho fantatsika fa nanolo-tena ho Mpisolo antsika Izy. Napetrany ao amin' ilay lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra ny fahamendrehany (...) mba hifangaro amin'ny hanitry ny fahamendrehan'i Kristy ny vavak'ireo zanany malalany (...)

Ren'Andriamanitra Ray ny vavaka tsirairay ataon'ny zanany torotoro fo. Ny feontsika mitalaho eto amin'ity tany ity dia miara-miakatra amin'ny feon'Ilay Mpanelanelana antsika, Izay mifona ho antsika any an-danitra, feo izay ren'Andriamanitra Ray mandrakariva. Koa aoka hisandratra mandrakariva ho any amin'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Aoka tsy hatao amin'ny anaran'ny olombelona izany, fa amin'ny anaran'Ilay maty nisolo antsika sy Mpiaro antsika. Nomen'i Kristy hampiasaintsika ny anarany. (...)

Mandray tsara anao toy ny fandraisany ny sakaizany i Jesosy. (...) Hoy Izy: "Amin 'izany andro izany dia hangataka amin 'ny anarako hianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." — Jao. 16:26,27. —L, 92, 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal