Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny vavaka manginan'ny fo

Daty
Alarobia 18 March 2026

 "Hanafina azy ao amin 'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon 'ny lela mifanditra izy." – Sal. 31:20.

Mofon’aina:
Rehefa  revo amin'ny raharahany eo amin'ny ainana ny lehilahy sy ny vehivavy, ka vesaran'ny asa maro, dia tsy afaka ny handohalika mandrakariva. Kanefa, na eny an-tsena aza, dia misy mpanara-maso hatrany mijery ny fifanakalozana rehetra, ary voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra ny vola rehetra, na iraimbilanja aza, izay azo tamin'ny tsy rariny na ny hosoka. Na tsy afaka mandohalika eny an-tsena aza ny olona, ny faniriana mangina avy ao am-po akariny any an-danitra dia tonga any amin'ny Ray amin'ny alalan'ireo mpanara-maso ireo. M isokatra ny lalana mankeo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary izay rehetra matahotra an'Andriamanitra sy maniry handeha araka ny toroheviny dia hikatsaka ny heriny mba hanaovana ny sitrapony, na ao anatin'ny asa sy ny vahoaka betsaka aza, tahaka ny ao am-piangonana. (...)

Amin'ny fakam-panahy tsirairay miseho eo amin'ny asa aman-draharahan'ny fiainana, dia misy fomba ahafahan'ny olona tsirairay, izay tia sy matahotra an' Andriamanitra, mitokana miaraka amin'ny Avo Indrindra, mba ho voaro. Ary dia hanome voninahitra an'Andriamanitra izy, satria tsapany ny hery sy ny fahafenoan' ny fahefan'Ilay manome ny teny fikasana. Mifandray amin'Andriamanitra izy, ao amin'ny toerana izay tsy misy mahita na mandre afa-tsy Izy ihany.

Ny hany takin'ny Tompo dia saina vonona handeha amin'ny lalany. Raha madio ny fo, dia hahita an' Andriamanitra izy, ary hahatsapa ny herin'ny fiarovany na dia eo afovoan'ny vahoaka be tabataba aza, raha eo amin'izany toerana izany no iantsoan'ny adidy azy (...). Amin' ireny toerana ireny, ny tena mpandray marina an'i Kristy dia mitondra fahazavan'aina. (...)

 Tsy ao anatin'ny fotoam-piadanana ihany no tokony haharetantsika amin'ny fivavahana. Ny fivavahana miankina amin'ny toe-java-miseho dia tsy haharitra amin'ny fotoana tena ilana azy, dia amin'ny toe-javatra sarotra indrindra. Ny fivavahan'ny Baiboly dia hitaky ny hamelomana hatrany ny afon'ny filazantsara tsy ho faty na any amin'ny toerana tsy mandray azy tsara aza — eny an-tsena, any amin'ny toeram-piasana, sy any amin'ireo toerana tsy mahazatra hanaovana vavaka. – Ms, 194, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal