"Tahaka ny diera miahanahana maniry ny rano an’ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô." – Sal. 42:1.
Mofon’aina:
Hibanjina tsy an-kiato ireo zavatra tsy mbola hitan'ny maso ny olom-pirenena ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Rava ny fahefan'ny tany eo amin'ny sainy sy ny toetrany. Ho eo aminy mandrakariva ny fanatrehan'Ilay Vahiny manan-kaja avy any an-danitra, araka ny teny fikasana hoe: "Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." – Jao. 14:21. Hiara-mandeha amin'Andriamanitra ao anatin'ny fifandraisana tsy tapaka, tahaka an'i Enoka izy. (...)
Fantatr'i Kristy fa tsy maintsy hatanjahina amin'ny vavaka ny maha olombelona Azy, eo anatrehan'ny fakam-panahy mamely isan'andro sy ireo mpitondra fivavahana tsy mitsahatra manohitra Azy. Tsy maintsy miray amin'Andriamanitra Izy, Izay andraisany hery sy faharetana ary fahatanjahana, mba ho tonga fitahiana ho an'ny vahoaka. Toy izany no nanehoany tamin'ny mpianany ny loharanon'ny heriny. Raha tsy misy io fifandraisana isan'andro amin'Andriamanitra io, dia tsy misy olombelona mety hahazo hery ho amin'ny fanompoana. Tombontsoan'ny tsirairay ny manolotra eo an-tanan'Ilay Ray be fitiavana any an-danitra, ny tenany sy ny olana mbamin'ny fakam-panahy rehetra mahazo azy, miaraka amin'ny alahelony sy ny fahakiviany. Izay manao izany, izay manao an'Andriamanitra ho tokiny, dia tsy ho voafandriky ny fahavalo.
"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika; fa izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin 'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin 'izay andro mahoty." –Heb. 4:15,16. (...)
Tandrovy fatratra ireo ora natokanao hivavahana sy handinihan-tena. Manokàna fotoana isan'andro handalinana ny Soratra Masina sy ifandraisana amin'Andriamanitra. Toy izany no hahazoanao hery ara-panahy sy hitomboanao amin'ny fahasoavana ary hahazoanao sitraka amin'Andriamanitra. Izy irery no afaka mitarika ny saintsika amin'ny lala-marina. Izy ihany no afaka manome antsika faniriana mendrika sy manefy ny toetrantsika ho tahaka ny endriny masina. Raha manatona Azy amin'ny vavaka sy hafanam-po isika, dia hofenoiny tanjona ambony sy masina ny fontsika, ary faniriana lalina hanana fahadiovan-tsaina. – RH, 10 Nôvambra 1910.