Vakio ny Kol. 3:1-4. Inona no fepetra ambaran'i Paoly fa ilaina mba hahatonga antsika hisaina ny zavatra any an-danitra? Inona araka ny hevitrao no hevitr'izany?
Avy eo an-tampon'ny tendrombohitra dia azo atao ny mitazana ny faritry ny tanana manodidina. Hatramin'ny taloha dia olona maro no nankany an-tendrombohitra mba hitady fifandraisana akaiky kokoa amin'Andriamanitra (jereo ny Sal. 121:1,2). Na dia ny tendrombohitra voatr'olombelona aza, antsoina hoe «ziggurat», dia naorin'ny mpanompo sampy ho amin'ny tanjona mitovy amin'izany nanana «ziggurat» lehibe tazana avy lavitra ny tananan'i Ora, izay niantsoana mba hihaonana amin'ireo andriamaniny. Mahaliana fa an'i Abrama mba hiala ao. Tsy hampanatona ny olona ny lanitra velively anefa ny fiakarany amin'ny toerana avo, raha amin'ny lafiny ara-panahy. Tsy vitan'ny ezaky ny olombelona izany.
Kanefa azo atao ny manakaiky ny lanitra amin'ny alalan'ny fahagagana avy amin'ny fahasoavana, amin'i Kristy sy itsanganantsika miaraka Aminy (asehon'ny batisa [Kol. 2:12,13]). hasoavana, ary amin'izany irery ihany, izay ahafatesantsika miaraka
Mariho fa vao manomboka ny Kol. 3, dia averimberina hatrany ny momba ny zavatra any an-danitra, izany hoe, «ny zavatra any ambony», «any amin'ny itoeran'i Kristy», «zavatra any ambony», «hiara-miseho aminy amin'ny voninahitra» - Kol. 3:1-4.
Marina fa maro ireo zavatra tsy hay hazavaina eo amin'ny fiainana kristianina. Ahoana no ahafahan'ny olona iray <> ary «mitsangana», raha toa ka tsy miova ny fahitana ilay olona fa iny olona iny ihany, izay tsy mbola nanandrana fiainana sy fahafatesana toy izany? Maro no tsy misy heviny amin'ny saina ara-nofo, izay tsy niasan'ny Fanahy Masina. Fa ho an'izay misaina mandrakariva ny zava-panahy kosa, satria nandray fo vaovao araka ny teny fikasan'Andriamanitra izy, dia zava-misy marina ny fahafatesana amin'ny ota sy ny fitsanganana miaraka amin'i Kristy. Araka ny hira iray manao hoe: «Manontany ahy ianao hoe: ahoana no ahafantarako fa velona Izy? Velona ato am-poko Izy.»
Na izany aza, mandidy ny Kristianina i Paoly satria ilaina havaozina tsy tapaka io fiainana ara-panahy io (jereo ny 2 Kor. 4:16). Ary tsy ho afaka amin'ny fakam-panahy raha mbola eto amin'ity fiainana ity. Kor. 4:16). Mety ho lavo sy very tokoa isika!
Noho izany, tsy maintsy misafidy isan'andro ny «hikatsaka ny zavatra any ambony» isika (Kol. 3:1). «Miara-miafina aminsi Kristy ao amin Andriamanitra» ny fiainantsika mandrakizay Kol. 3:3, saingy ny fisehon'izany fiainana izany ivelany kosa dia tsy miafina velively.
Inona no saintsaininao matetika, ny zavatra any ambony ve sa ny ety ambany? Raha ny ety ambany, ahoana no hanovanao ny lalan-kevitra?