«aoka izay ny ady!» «Atsaharo ny fanimbana ny ala»! «Aoka izay ny fitaovam-Mandre teny filamatra maro isika ankehitriny, toy ny hoe: piadiana nokleary!» Fa angamba ny tsy mbola rentsika mihitsy dia ny hoe: « Atsaharo ny fisainana momba ny zavatry ny tany!» Tsy mifanaraka amin'ny fihevitr'izao tontolo izao mantsy izany. Tsy diso tsy akory ireo teny filamatra hafa ireo, na koa hoe tsy izy ny hevitra tohanany, saingy tena tsy mahatazan-davitra izany, tsy mihevitra ny fahakekezan'ny mandrakizay. Mila mifantoka amin-javatra ambony lavitra sy mandrakizay isika.
Vakio ny Kol. 3:5,6 (jereo koa ny Rôm. 6:1-7). Ahoana no ahatsapantsika ny atao hoe maty ny amin'ny tena sy amin'ny zavatra etý an-tany, ary velona ho an'ny zavatra any ambony»?
Na efa maty ara-panahy miaraka amin'i Kristy aza isika, dia ilaina ny mamono ny «momba ny tenantsika» - izany hoe, ireo fakam-panahy avy amin'ny vatantsika sy ny saintsika.
Saingy misy zavatra roa tokony ho tsapantsika mifandray amin'izany baiko izany.
Voalohany, ao amin'ny Kol. 3:1, ny endriky ny teny grika ampiasain'i Paoly dia milaza fa efa niara-natsangana tamin'i Kristy isika. Faharoa, ny baiko ao amin'ny Kōl. 3:5 dia vokatr'izany zava-misy izany («Koa»). Azontsika atao ny mamono ireo zavatra momba ny ety an-tany (fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy, fieremana, sns.) satria efa natsangana niaraka tamin'i Kristy isika ary manana ny fiainany sy ny heriny ara-panahy mba hanafoanana ireo zavatra ireo ao an-tsaintsika sy eo amin'ny fiainantsika.
Mahaliana fa ao amin'ny Rôm. 1:18 irery ihany no ahitana andian-teny grika mitovy tanteraka amin'izay ampiasaina ao amin'ny Kol. 3:6 nadika hoe: «ny fahatezeran'Andriamanitra». «Natolotr'Andriamanitra ho amin'ny lalan-dratsiny ny olona, ary «tonga» koa ny fahatezerany (jereo ny Rôm. 1:24 sy ny Apôk. 6:16,17) «aminny zanaky ny tsi-fanarahana» Kol. 3:6. Miresaka momba ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona» | Paoly ao amin'ny Rom. 1:18, izay mitovy amin'ny «fahalotoana» (ao amin'ny Köl. 3:5; izay nadika avy amin'ny teny grika iray ihany), indrindra «ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana; dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy». - Rôm. 1:24.
Amin'ny fomba ahoana no ifanalany voninahitra amin'ny tenany avy? Voalohany, satria manda ny Mpahary izy ireo, ary koa amin'ny alalan'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehívavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra.» - Rôm. 1:26,27.
Ahoana no ankatoavantsika ny teny hoe: «vonoy ny momba ny tenanareo izay etý an-tany» - Kol. 3:57