Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.

Daty
Alahady 15 March 2026

Ahitana torolalana marobe ho an'ny tokantrano kristianina ao amin'ny Testamenta Vaovao (jereo ny Efes. 5:21-6:9; Kol. 3:18-4:1; Tit. 2:1-10; 1 Pet 2:18-3:7). Ireo "fitsipika momba ny tokantrano" ireo, araka izay iantsoana azy, dia tsy miorina fotsiny amin'ny rafitra antanan-tohatra fa ahitana singa manampy amin'ny fananana fifandraisana tsara kokoa sy mahasoa ny andaniny sy ny ankilany.

Vakio ny Kol. 3:18,19. Inona ny fifandanjana hitanao eto? Inona no torohevitra fanampiny omen'i Paoly ao amin'ny Efes. 5:22-25,33

Averin'ny lehilahy sasany izao tenin'ny Baiboly izao: "Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo" - Köl. 3:18, ary mijanona eo ihany izy. Mariho anefa ny teny manan-danja ataon'i Paoly ho fanampin'izany: "araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Tsy misy mihitsy fampianarana ao amin'ny Testamenta Vaovao milaza fa tokony hanaiky na hilefitra amin'ny lehilahy rehetra ny vehivavy na koa hoe ambany noho ny vadiny na tokony ho andevony; ny Testamenta Vaovao dia tsy mampianatra fa tokony hilefitra an-jamba amin'ny faniriana sy izay tian'ny vadiny rehetra ny vehivavy. Izao no hevitra tian'i Paoly hambara: ny Tompo no tokony hiantefan'ny fahatokian'ny vehivavy manambady voalohany ary ny vadiny kosa no faharoa. Tsy tokony ho takona ao ambadiky ny lehilahy ny maha izy ny vadiny, ary tsy afaka hisolo ny feon'ny fieritreretan'ny vavy ny lahy.

Ny fitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny Ainy ho azy no maneho ny fitiavana tokony hitiavan'ny lehilahy ny vadiny (Efes. 5:25). Tokony ho mahatoky izy ireo na inona na inona sandan'izany, ary ny fanapahan-kevitra mahasoa indrindra ny vadiny no horaisiny na dia marina aza fa tokony hifandanja ny tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany. Ny fitiavana tahaka izany no manamora kokoa ny fankatoavan'ny vavy ny didin'Andriamanitra momba ny fanajana ny lahy (Efes. 5:33).

Ny tokantrano kristianina mafy orina dia izay ahitana fitia mifamaly fifampiresahana, fiaraha-misaina sy mitady vahaolana ary fiarahana mandray fanapahan-kevitra amin'ny maha mpivady. Amin'ny fotoana izay andraisana fanapahan-kevitra misy fiantraikany lalina eo amin'ny ankohonana iray manontolo, dia azo atao ny manasa ny zanaka hanatrika ny fifanakalozan-kevitra saingy tsy tokony hataon'ny ray aman-dreny mihitsy ny mifamaly eo imason'izy ireo. Aorian'izany dingana izany, raha toa tsy mety tonga amin'ny firaisan-kevitra ny mpivady, dia fomba iray atoron'ny Baiboly mba hisian'ny filaminana ny faneken'ny vavy ny hevitry ny lahy, raha tsy manohitra ny Tenin Andriamanitra izany. Etsy andaniny, saika ny ankamaroan'ny lehilahy (raha tsy ny lehilahy rehetra) no mahatsiaro ny fotoana nahitany soa noho ny nihainoany ny tenin'ny vadiny sy nanarahany ny toroheviny. Arakaraka ny hiarahan'ny mpivady miasa ho vondrona iray no hahasambatra ny tokantranon'izy ireo.

Ahoana no hisorohantsika ny fanaovana toy izay efa nataon'ny olona teo amin'ny tantara hatrizay: mandray ny fitsipika kanto ao amin'ny andalan-tSoratra Masina ka manodina izany ho zavatra ratsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal