Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 4:7-18; Efes. 6:21; Asa. 15:36-40; 2 Tim. 4:10, 11; 2 Pet. 3:10-14; Isa. 60:1-3.
Tsianjery: "Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy ho anareo."-1 Tes. 5:18.
Ity ampahany farany amin'ny Kolosiana ity dia mampiseho ny momba ireo mpiara-miasa amin'i Paoly sy ny velaran'ny fiaraha-miasan'izy ireo. Hitantsika ao amin'ny bokn'ny Asan'ny Apostoly ny niarahany niasa voalohany tamin'i Barnabasy, avy eo i Silasy, ary avy eo dia omena topy maso ny amin'ny dia misionera telo nataony isika.
Hijery ny tetikady misioneran'i Paoly isika amin'ity herinandro ity, izay nampiasany tsara ny fotoany sy ny fitaovana teo am-pelatanany mba hahatrarany ireo tanan-dehibe tao amin'ny Fanjakana Romanina, ary koa hanofanany ireo mpitory laika mahatoky mba hanatrarana ireo tanána sy vohitra izay tsy ho voatsidik'i Paoly, toa an'i Kolosia, Laodikia, ary Hierapolia.
Nampifandray olona sy fiangonana hatrany i Paoly tamin'ny alalan'ny fitsidihana manokana nataony handritra ny diany, ary indrindra tamin'ny maha gadra azy, tamin'ny alalan'ny epistiliny. Tsapany fa ny fahombiazan'ny asa fitoriana ny filazantsara dia niankina amin'ny fiaraha-miasan'ny tsirairay Kristianina Jiosy sy Jentilisa; Ichilahy sy vehivavy; olona toa an'i Tykiko, Aristarko, Josto, Epafra, Lioka, ary Nyma. Mahaliana fa misy taratasy nosoratany ho an'ny Laodikia koa, izay tsy notehirzina ho antsika. Maro ny hafatr'i Paoly ao amin'ireo andininy farany ireo, anisarizany ny fiangaviana sy fampirisihana manokana ny lehilahy iray atao hoe Akipo. Nanao izay rehetra azony natao i Paoly mba hampaherezana ny fiangonana, raha mbola afaka nanao izany.
*Famerenana ny lesona ny sabata 28 Martsa.