Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 04 April 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 3:1-5; Lev. 20:26; 1 Sam. 2:2; 1 Jao. 4:7-19, Gen. 1.1; Gen. 2:7; Mat 1:23; Mat. 28.20.

Tsianjery

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." -Jao. 17:3.

Zava-dehibe fototra ny fahatakarana mazava ny toetran'Andriamanitra, mba hananana fifandraisana matanjaka Aminy. Koa amin ity herinandro ity dia hodinihintsika tsara izay lazain'ny Baiboly momba ny toetran'Andriamanitra, ary aoka hotsaroantsika fa «Ny haizin'ny hevi-diso momba an Andriamanitra no manarona an'izao tontolo Izao. Verin'ny olona ny fahalalana ny toetra amam-panahin'Andriamanitra. Diso ny fahazoana azy, ary diso ny fandraisana azy. Amin'izao fotoana izao dia misy hafatra avy amin'Andriamanitra hotorina, hafatra hitondra fanazavana noho пу fahefana ananany sy ny famonjena noho ny heriny. Tsy maintsy hampahafantarina an'izao tontolo izao ny toetra amam-panahin'Andriamanitra. Tsy maintsy hiely eo anivon'ny haizina ny fahazavan'ny voninahiny sy ny famindrampony sy ny fiantrany ary ny fahamarinany. (...) Ny hafa-pamindrampo farany hotorina amin'izao tontolo izao, dia fanehoana ny toetra amam-panahin Andriamanitra be fitiavana.» -HF, tt 364,365, пр.

Toa tsy hay soritana araka ny tokony ho izy Andriamanitra, koa ny mety indrindra azontsika atao dia ny manondro izay voalazan'ny Baiboly momba Azy. Na tsy ho fantatsika mihitsy aza, indrindra amin'izao fotoana izao, ny zavatra rehetra momba ny toetra mahagagan Andriamanitra, dia andeha hivavaka mba hitombo sy hihalalina ny fahafantarantsika sy ny fitiavantsika Azy eo am-pianarantsika ny momba Azy, ka amin'ny farany dia haniry hanakaiky Azy kokoa isika mba hahafahantsika maneho taratra ny fitiavany sy ny toetrany amin'ny hafa.

*Famerenana ny lesona ny sabata 11 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal