" Misaora an’i Jehôvah , ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon'ny teniny. " Sal. 103:20 .
Mofon’aina:
Ankehitriny, toy ny tamin’ny lasa, dia manara-maso ny lanitra manontolo mba hahitany raha toa ny fiangonana mitombo ao anatin’ny siansan’ny famonjena na tsia. Eo anivon’ny olombelona i Jesôsy Tompo. Eo anivontsika ireo anjeliny saingy tsy miseho mivantana. Vonjeny amin’ireo fandrika maro sy loza samihafa tsy hitan’ny masontsika isika, izay apetrak’ilay fahavalontsika eo amin’ny lalantsika (...) mba hamotehana antsika. Enga anie mba hahiratra ny masontsika ka hahita ny fikarakarana ombam-pitiavana sy ny fiambenan’ireo mpitondra hafatry ny mazava antsika! Raha mahay mankasitraka ny soa azony amin’ny namany eto an-tany ny olona, dia ho tsapany fa lehibe lavitra noho izany no tokony hankasitrahany an’Andriamanitra, ka hipololotra avy ao am-pony ny fisaorana feno fankasitrahana noho ireo fanomezan- tsarobidy izay tsy tsikariny akory ankehitriny. – Ms 38, 1895.
Tsy ampy matetika ny fahatsiarovantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. (...) Manala baraka ny Mpamorona antsika isika amin’ny tsy fahaizana mankasitraka. (...) Nahoana isika notsy manome lanja ny fiambenana ataon’Andriamanitra ? Raha mahazo izay tadiaviny i Satana ary mahatanteraka ny fikasany, dia ho hita eny rehetra eny ny fahapotehana. Nahoana isika no tsy mahatsiaro fa voaro amin’ny loza noho ny indrafo? Moa ve isika tsy haneho fankasitrahana isan-tsegondra, na dia eo aza ny fahasahiranana miseho eo amin’ny lalantsika? Moa ve isika tsy hatoky ilay Raintsika any an-danitra? – Ms 152, 1898.
Tsy ho fantatsika na oviana na oviana ny loza maro, na hita na tsy hita maso, izay niarovana antsika tamin’ny alalan’ny fidiran’ny anjely an-tsehatra, ambara-pahitantsika ny fitantanan’Andriamanitra ao amin’ny fahazavan’ny mandrakizay. Amin’izay dia ho takatsika kokoa izay efa nataon’Andriamanitra ho antsika nandritra ny androm-piainantsika. Ho fantatsika fa ny fianakavian’ny lanitra manontolo no liana amin’ny fizotry ny fiainantsika isan’andro isan’andro. – RH, 6 Aogositra 1889.
Ny mpino tsirairay izay mahatsapa inandrakariva ny fianteherany amin’Andriamanitra dia manana anjely nirahin’ny lanitra hiasa ho azy. Amin’izao fotoana izao indrindra no maha zava-dehibe ny asa ataon’ireny anjely ireny, satria manao ny ezaka farany i Satana mba hamaboana an’izao tontolo izao. – L 257, 1904.