Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa iray mitondra finoana.

Daty
Talata 07 April 2026

" Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Heb.11:1 

Mofon’aina:
Tsy fototra iorenan’ny famonjena antsika ny finoana, nefa fitahiana lehibe tokoa - izy no maso izay mahita, sofina mandre, tongotra mihazakazaka ary tanana mandray. Fitaovana ny finoana fa tsy tanjona hiafarana. Raha nanolotra ny ainy hamonjena ny mpanota i Kristy, nahoana moa aho no tsy handray izany fitahiana izany? Ny finoako no mandray izany, noho izany, dia ny finoako no fahatokiana amin’ny zavatra antenaina, ary fanehoana ny zavatra tsy hita. Koa rehefa matoky sy rnino aho, dia mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. – SDABC, b. 6, t. 1073.

(...) Ny finoana mahavonjy no asan’ny fanahy izay hileferan’ny maha olona manontolo hofehezin’i Jesôsy Kristy sy hambenany. Mitoetra ao amin’i Kristy izy, ary mitoetra ao amin’ny fanahy i Kristy amin’ny alalan’ny finoana izay manapaka ao. Mametraka ny fanahiny sy ny tenany eo an-tanan’Andriamanitra ny mpino, ary amin-toky no ilazany hoe: “hain’i Kristy ny niaro izay rehetra nankiniko taminy hatramin’izao.” (...) Azo antoka tokoa fa hosasan’ny ran’i Kristy izany fanahy izany, ary hitafy ny Fahamarinany no sady sarobidy eo imason’i Jesôsy . – Ms 6, 1889.

Tsarovy fa ny fampiasana ny finoana no hany hahafahana mitahiry azy. Raha toa ianao tsy mihetsika eo amin’ny toerana iray mihitsy dia hihaosa ireo hozatrao ary tsy ho afa-mihetsika intsony ny rantsam-batanao. Toy izany koa ny fanandramanao ara-pivavahana. Ilainao ny mino ireo teny fikasan’Andriamanitra. (...) Hihatsara arakaraka ny ampiasana azy ny finoana. – L 355, 1904.

Zava-dehibe indrindra ny hanodidinan’ny rivo-piainan’ny finoana ny fanahy. Isan’andro isika dia mandray fanapahan-kevitra momba ny hoavintsika mandrakizay, izay mifandrindra amin’ny rivo-piainana manodidina ny fanahintsika. Ampamoahina ny tsirairay avy momba ny hery miasa mangina ampiasainy, ary vokatra maro tsy hita maso ankehitriny no ho azo noho ny tenintsika sy ny asantsika. Raha saika namonjy an’i Sodoma noho ny amin’ny olo-marina folo Andriamanitra, hanao ahoana kosa ny hery miasa mangina ho amin’ny tsara ateraky ny fahatokian’ny vahoakan’Andriamanitra raha toa izay rehetra mitonona ho Kristianina ka mitafy ny fahamarinan’i Kristy? – Ms 66, 1895.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal