Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Halaviro ny fiahiahiana tsy mahasoa

Daty
Alakamisy 16 April 2026

"Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin 'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin 'ny tenanareo, dia izay hotafianareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?" - Mat. 6:25

Mofon’aina:
RaIaha manolotra ny tsara indrindra vy aminao ianao, aza manasatra y tenanao sy ny sainao amin'ny fiahiahiana momba izao fiainana izao. Aza simbana amin'ny tebiteby ny fanandramanao ara-pivavahana; matokia fa hiasa ho anao ny Tompo ary hanao izay tsy hainao atao samirery. Mihoatra noho ny hanina ny fiainanao.(…) 

Maro ny tebiteby tsy ilaina akory sy ny fahorian-tsaina momba ireo zavatra tsy azo ovana. Tian'ny Tompo ny hametrahan'ny zanany fitokisana tanteraka Aminy. Andriamanitra marina sy mahitsy no tompointsika; tokony hahatsapa ny fahatsarany sy ny fahamarinany eo amin'ireo zavatra lehibe sy madinika eo amin'ny fiainana ny Zanany. Ireo izay mitahiry toe-tsaina feno tebiteby sy fitarainana dia mandà tsy habita ny Tanany mitarika.

Fahadalana ny fiahiahiana tsy mahasoa, ary manakana antsika tsy hijoro tsara eo anatrehan'Andriamanitra izany. Rehefa miditra ao am-po ny Fanahy Masina, dia tsy hisy intsony ny faniriana hitaraina sy himonoMonona noho ny tsy fananantsika izay rehetra irintsika. Tsy hanao izany isika fa hisaotra an'Andriamanitra amin'ny fo tokoa noho ireo fitahiana azontsika. (…)

Misy fitahiana iray mety ho azon'izay rehetra mikatsaka azy araka ny tokony ho izy. Tsy inona izany fa ny Fanahin'Andriamanitra, ary fitahiana izay mitaona ireo fitahiana hafa rehetra izany. Raha toa isika manatona an'Andriamanitra toy ny ankizy madinika, mangataka fahasoavana sy hery ary famonjena, tsy mba hampisandratra antsika, fa mba hitondrantsika fitahiana ho an'ireo manodidina antsika, dia tsy holavina ny fangatahantsika. (...)

 Tonga teto an-tany i Kristy ary nanolotra ny ainy mba hahazoantsika famonjena mandrakizay. Iriny raha hanodidina ny tsirairay avy amintsika ny rivo-piainan'ny lanitra, mba hanehoantsika amin' izao tontolo izao ny ohatra izay manome voninahitra ny fivavahan'i Kristy. (...) Ny toe-tsaina izay manjaka any amin'ny lapan'ny lanitra no tokony hanapaka antsika amin' izao fiainana izao. Ary ny voninahitr'i Jehovah no ho valisoan'izay rehetra manompo Azy an-tsitrapo (...). - Ms 15, 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal