Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy finoana anarany fotsiny

Daty
Talata 21 April 2026

 "Fa Izaho Jehôvah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao." - Isa. 41:13

Mofon’aina:
Nandritra ny herinandro vitsivitsy izay dia nahatsapa fifandraisana lalina tamin'ny teny fikasan'Andriamanitra sy ny fanantenan' ny Kristianina aho. (...) Toy ny efa vonona hirotsaka amintsika ny andon'ny lanitra mba hamelombelona antsika, raha toa raisintsika ho an'ny tenantsika ireo teny fikasana. Tsy ho vitantsika ny handresy ny fironana voajanahary ao anatintsika raha tsy eo ny fanampian’ny Lanitra, ary koa raha tsy eo anilantsika i Jesôsy mba hanampy antsika amin'izao asa izao. Hoy Izy: "sly, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny, fahataperan'izao tontolo izao." -Mat. 28:20. (...) Aoka ny finoantsika hamikitra amin'ny teny fikasana. (...)

Tsy zava-maivamaivana ny hoe mino an'i Jesôsy. Maro ny olona manao hoe: "Minoa, mino an'i Jesôsy fotsiny no ilainao atao." Nefa mahasoa antsika ny manontany hoe: Inona no takin'ny finoana? Ary mahafaoka inona avy izany? 

Maro loatra amintsika ny manana finoana anarany fotsiny saingy tsy mampiseho izany eo ami n'ny toetrany.

(...) Finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fo no ilaintsika ananana, ka izany finoana an'i Kristy izany dia hitarika antsika hahafoy izay rehetra tsy ankasitrahany. Raha tsy manana izany finoana miasa izany isika dia tsy misy soa azontsika na dia kely aza. Mety ekenao fa Mpamonjy izao tontolo izao i Kristy, nefa Mpamonjinao ve Izy? Inoanao ve anio fa hanome anao hery sy tanjaka hoenti-mandresy ny kileman-toetranao rehetra Izy? (...)

Samy tokony hianatra ny leson'ny fitokiana amin'ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika. Aoka isika hatoky Ilay Raintsika any an-danitra toy ny fitokian'ny zaza ny rainy sy ny reniny, ary aoka isika hino fa ataony miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Aoka hinoantsika fa ny hiakan'ady sy ny ezaka tsirairay atao ho fanoherana ilay fahavalon'ny fanahintsika dia ren’ny sofin' ilay Andriamanitra Tompon'ny tafika, ary hanampy antsika Izy amin'ny fotoana rehetra ilantsika izany. (...)- Ms 5, 1886. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal