Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin'ny fotoan'ny fizahan-toetra, matokia

Daty
Alakamisy 23 April 2026

 "Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina." - Sal. 55:22

Mofon’aina:
Mikarakara ny nohariany rehetra ny Tompo. Hitany izy rehetra ary tsy misy mahasamy hafa azy eo anatrehany, saingy tia sy mangoraka indrindra ireo nantsoina hitondra ny enta-mavesatra indrindra eo amin'ny fiainana Izy. Tsy maintsy misetra fitsapana sy zava-tsarotra ny zanak'Andriamanitra. Nefa hekeny amin'ny toe-tsaina falifaly ny anjarany raha mahatsiaro izy ireo fa izay rehetra tsy nampaharisika an'izao tontolo izao ny nanome azy, dia Andriamanitra mihitsy no hanonitra izany ho azy amin'ny fanambinana tsara indrindra."- TMF, t. 128 (ed. 1997).

Rehefa mitebiteby isika dia tandindomin-doza hanamboatra zioga hozakaintsika ihany. (...) Andeha isika hanao izay rehetra azontsika atao, tsy amin'ahiahy fa amin'ny fitokiana an i Kristy. - L 123, 1904.

Miovaova mandrakariva ny toe-javatra, ary misy fiovana koa eo amin'ny fanandramantsika; fiovana izay mahafaly na mampalahelo antsika izany. Kanefa ny fiovan'ny toe-javatra dia tsy manan-kery hanova ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika. Tsy miova Izy omaly sy anio ary mandrakizay; ary asainy isika hatoky tanteraka ny Fitiavany.

 Mijery hirika i Satana mba hitondrana toe-javatra. izay mamoha ny tsy finoana; antenainy amm'izany ny hitarika antsika hisalasala momba an'Andriamanitra. Tsy azontsika atao ny hikolokolo na dia fisainana iray aza maneho tsy finoana. Rehefa alaim-panahy hijery ny lafy ratsin-javatra isika, dia andeha hampitodika ny fanahintsika hijery ny lanitra, mba handraisany ny taratra mazavan'Ilay Masoandron'ny Fahamarinana. Andeha hanatona an'Andriamanitra. Efa nampanantena Izy fa raha manao izany isika dia hanatona antsika Izy ary hanangana faneva ho antsika hisakanana ny fahavalo. (...) Aoka ny finoana hahajoro eo anatrehan'ny fizahan-toetra ka tsy hihozongozona, satria Mpamonjy tonga lafatra i Kristy.

Mety hihevitra ny drafitrao ho tonga lafatra ianao, nefa Andriamanitra mety hahita fa mahasoa anao ny miatrika fahadisoam-panantenana mba hampifandrindra ny planinao amin'ny Azy. Tsara mandrakariva ny lalana itondrany, satria mahita sy mahalala ny zavatra rehetra Izy. Tsy mahita ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny mandrakariva isika. (...)

 (...) Na inona na inona mety hiseho, dia hazony tsy hihozongozona hatramin'ny farany ny fitokiana notananao hatramin'ny voalohany.- L 150, 1903 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal