Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha tsy nahomby ianao, matokia

Daty
Sabotsy 25 April 2026

"Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesôsy ahy." - Fil. 3:12

Mofon’aina:
Mba hahazoana fandresena amin'ny ady atao amin'ny ota dia tsy maintsy mitoetra eo akaikin'i Jesôsy ianao. (...) Ny tsy finoana dia mampisaraka mandrakariva ny fanahy amin'i Kristy.

Ampirisihina isika tsy hiresaka momba ny fahalemena sy ny fahakiviana. Aoka ny tsirairay hanao hoe: "Malahelo aho satria mora voataonan'ny fakam-panahy, malemy ny vavaka ataoko, ary marefo ny finoako. (...) Nefa mikatsaka ny hahatratra ny fahatanterahan-toetra ao amin'i Kristy aho. Nanota aho, nefa tiako i Jesôsy. Imbetsaka aho no lavo, nefa mbola naninjitra ny sandriny hamonjy ahy Izy. Nolazaiko Taminy avokoa ny hadisoako. Niaiky tamim-pahamenarana sy alahelo aho fa tsy nanome voninahitra Azy. Nijery ny hazo fijaliana aho ka niteny hoe: Izao rehetra izao dia niaretany noho ny amiko. Nasehon'ny Fanahy Masina tamiko ny tsy fahaizako mankasitraka, ny fahotako tamin'ny fanalako baraka an' i Kristy. Efa namela ny fahotako Ilay tsy nahalala ota. Miantso ahy Izy ho amin'ny fiainana ambony sy mendrika kokoa, ary miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha aho." (...) 

Ny fanetren-tena izay mitondra voa sy mameno ny fanahy amin'ny fahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra, dia hiteny ho an'izay nitahiry azy, amin'ilay andro lehibe izay hamaliana ny olona araka ny asany avy. Sambatra izay hilazana hoe: "Tsy very maina ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra tamin'ny fanahin'ity olona ity. Nandroso izy, ary nihanitombo hery hatrany. Tsy nanjaka teo amin'ny fiainany ny fitiavan-tena. Ny hafatra tsirairay nomena azy (...) dia efa noraisiny. Izany no namboatra ny lalana ho azy mba hahazoany fitahiana lehibe kokoa (...). Ny dingana tsirairay niakarany teo amin'ny tohatry ny fitomboana dia nanomana azy hiakatra ambonimbony kokoa. Mamirapiratra aminy avy eny an-tampon‘izany tohatra izany ny taratra mazavan'ny voninahitr 'Andriamanitra. Tsy nihevitra ny hiala sasatra izy fa nikaroka mandrakariva ny hahatratra ny fahendren'i Kristy sy ny fahamarinany. Niezaka hanatratra ny marika izy hahazoany ny lokan’ny fiantsoana ambony ataon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy ."

Izany no fanandramana tokony hananan’ izay rehetra novonjena. - Ms 161, 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal