"Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)." - Heb. 10:23
Mofon’aina:
Ny fivavahan'i Kristy dia tsy fivavahan'ny fihetsehampo fotsiny. Ny fihetsehampo dia tsy azonao ianteherana ho porofo fa eken'Andriamanitra ianao, satria miovaova izany. Aoka ny tongotrao hifahatra arnin'ireo fampanantenan'ny Tenin'Andriamanitra (...) ary hianatra hiaina amin'ny finoana. -RH, 5 Mey 1891.
Raha vao manomboka mifantoka amin'ny fihetsehampony ny olona iray, dia eo amin'ny faritany mampidi-doza izy. Rehefa faly izy dia matoky tena fatratra ary manana fihetsehampo tsara. Hiova anefa izany. Miseho ireo toe-javatra izay mitondra fahaketrahana sy alahelo ka hanomboka hisalasala ho azy ny saina raha eo anilany Andriamanitra na tsia.
Aoka tsy ny fihetsehampo, na tsara izany na mahakivy, no hisedra ny fiainantsika ara-panahy. Ny tenin'Andriamanitra no antony tokony hijoroantsika. Mahavery hevitra olona maro ny fianteherana amin'ny fihetsehampo. (...)
"Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny ,fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin 'ny tsi-fahamarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9. Nahoana ary isika no manala baraka an'Andriamanitra amin'ny fisalasalana ny amin'ny fitiavany izay mamela heloka? Rehefa avy niaiky ny fahotanao ianao, dia inoy fa tsy inety diso ny tenin'Andriamanitra; mahatoky amin'ny fampanantenany Izy. Adidinao ny mino fa hanatanteraka ny Teniny Andriamanitra ka hamela ny helokao, tahaka ny maha adidinao ny miaiky ny fahotanao. Aoka ianao hino [lay Andriamanitra izay hanao araka ny nolazainy; hamela ny tsy fahamarinanao rehetra Izy. (...)
Firifiry moa ireo mandeha amin'alahelo, manota izy ary mibebaka avy eo, nefa mbola eo ambanin'ny rahon'ny fanamelohana mandrakariva! Tsy niino ny tenin'Andriamanitra izy ireo. Tsy inoany fa hanao marina araka izay nolazainy Izy. (...) Mandratra ny fon i Kristy ny fisalasalanao, satria efa noporofoiny ny fitiavany tamin'ny nanolorany ny ainy hamonjena antsika, mba tsy ho very isika fa hanana fiainana mandrakizay. - L 10, 1893.
Aoka isika hatoky, ary hanabe sy hanazatra ny fontsika hino ny tenin'Andriamanitra (...). - L 10, 1893.