Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vatofantsika mafin'ny finoana

Daty
Alakamisy 30 April 2026

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, ary  ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy." - 1 Jao. 3:2,3 

Mofon’aina:
Ny mason'ny finoana dia mitodika amin'Andriamanitra(...)Velona ao amin'ny fiandrandrana hoavy tsara ny finoana; hainy ny manavaka ireo tombontsoa tsy hay ambara ao amin'ny fanomezan'ny lanitra. Ampahany manan-danja ao amin'ny finoana kristianina ny fanantenana ny fiainana ho avy. Rehefa avelantsika hanernbantsembana ny fifandraisan'ny fanahy amin'Andriamanitra ny rehak'izao tontolo izao, dia tsy hahita afa-tsy izao tontolo izao isika (...)Aoka ny mason'ny finoana hibanjina izay tsy hita maso, dia hahery ao amin'ny herin'ny lanitra ianao.

 Mitombo ny finoantsika rehefa mibanjina an'i Jesosy isika, Izy ilay ivon'izay rehetra tsara sy maha-te ho tia. Arakaraka ny ibanjinantsika ny zavatry ny lanitra no ihenan'ny faniriantsika ny zavatry ny tany. Raha mibanjina tsy miato an'i Kristy (...) ny mason'ny finoana, dia hihamitombo ny finoantsika; hihamatanjaka ny fanantenantsika ary hihamahery sy mivaivay ny fitiavantsika (...). Hihamitombo ny fahatsapantsika ny fitakian'Andriamanitra antsika hanadio ny tenantsika amin'ny fomba amam-panaon'izao tontolo izao izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izay nirahiny.

Arakaraka ny ibanjinantsika an'i Kristy, sy iresahantsika momba ny fahamendrehany sy ny heriny, no hanehoantsika amin'ny fahafenoany kokoa ny Endriny eo amin'ny toetrantsika sy hampihena ny fileferan'ny saintsika sy ny fontsika amin'ny hery miasa mangina mahaosa eto amin'izao tontolo izao. Arakaraka ny isaintsainantsika momba an'i Jesosy no hampisinda ny zavon'ny fisalasalana manarona ny saintsika ka ho mora kokoa ny hitondrantsika ny fitsapana sy ny enta-mavesatra ary ny olantsika eo amin' ilay Mpitondra izany. (...)

Aoka ny finoana hanagorobaka ny aloka mahatsiravina (...) ka hifantoka amin'i Jesosy, Ilay Mpisoronabentsika, izay niditra tao anatin'ny efitra masina ho antsika. Na inona na inona rahona manarona ny lanitra, na inona na inona tafio-drivotra mitady hanafotra ny fanahy, dia mafy orina izany vatofantsika izany, ary azo antoka fa handresy isika.- L 30, 1893. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal