Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.

Daty
Alahady 19 April 2026

Alohan'ny handinihantsika ny maha sarobidy ny Baiboly sy ny fomba mety handalinantsika izany ho an'ny tenantsika manokana, dia tsy maintsy takatsika izao: anisan'ny famelezani Satana mahery vaika ny fanakanana antsika tsy hanokana fotoana hiarahana amin'Andriamanitra ao amin'ny Teniny. Ny fihazonana ny olona tsy hamaky Baiboly noho ny fahasahiranana, ny tsy firaihana, ny harerahana, na ny fisalasalana no paikady voalohany ampiasainy. Fantany fa rehefa mandany fotoana miaraka amin Andriamanitra ao amin'ny Teniny isika, dia mamelombelona ny fiainantsika sy manohana ny fanahintsika izany, koa mazava loatra fa hosakanany amin'ny fomba rehetra izany!

Voalaza fa "Mampiasa izay fitaka rehetra azony atao i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny Baiboly, izay manambara mazava ny fitaka ataony." - HM. 1. 619. Fantany fa ny Teny maherin'Andriamanitra dia mahatonga azy tsy ho afaka hanao na inona na inona. Fantatr'i Satana fa ny fivavahana sy ny fandinihana ny Baiboly no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra azon'ny olombelona ampiasaina hanoherana azy (Efes. 6:17,18; Heb. 4:12), ka manao ny fomba rehetra izy hanakanana antsika tsy hamaky izany na hivavaka. Mahery ny tenin'Andriamanitra, ary tsy vitan'ny hoe nampisy izao tontolo izao izany (Sal. 33:6), fa mahay manangana ny maty koa (Jao. 11:41-44) ary manome antsika hery handresena (Mat. 4:1-11).

Tsy ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ihany no asian'i Satana amin'ny fanakanana ny vahoakan'Andriamanitra tsy hamaky Baiboly, fa ny fifandraisantsika amin'ny hafa koa. Manjary mikorontana ny fiainam-panambadiantsika, diantsika, mivazavaza amin'ny zanats zanatsika isika, ary tsy manam-paharetana amin'ny namana na mpiara-miasa amintsika. Toa rotoroto ny fiainana; mahatsiaro ho rera-tsaina sy mavesatra entana isika, nefa tsy mahita vahaolana. Ary mahagaga fa matetika isika no tsy miato kely akory mba handinihana ny zava-mitranga. Mety mihevitra isika fa akaiky an'Andriamanitra, nefa raha ny marina, rehefa mandeha ny andro sy ny herinandro ka tsy manokatra ny Tenin'Andriamanitra mihitsy isika, dia mihamalemy kokoa hatrany isan'andro.

Na miovaova sy tsy mitohy aza ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, dia mahagaga fa tsy miova Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin'ny Fit. 3:22,23, Inona no voamarikao ao amin'ireo andininy ireo, ary manao ahoana izany raha mitaha amin'ny toetrantsika olombelona?

Tamin'ny nahakerobima manaloka azy talohan'ny nahalavoany (Ezek. 28:14-17). dia nandre ny tenin'Andriamanitra sy nahafantatra ny heriny lehibe i Losifera. Halany izany fahamarinana izany izao, koa mazava ny antony mahatonga ny saintsika ho donto sy ny fontsika tsy hiraika rehefa tsy mifidy ny hihaino sy hampiditra ny tenin Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika andavanandro isika.

Mitozo sy maharitra ve ianao eo amin'ny fiainam-pivavahanao manokana? Manambara inona ny valin-teninao? Misy zavatra mila ovana ve?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal