Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TOMBONTSOAN'NY FANANAN-TOKY

Daty
Sabotsy 06 April 2024

« Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany. » .- 1 Jao. 3:19. 

Mofon’aina:

Te hampianatra ny lehilahy sy ny vehivavy tanora eto amintsika aho fa tena tokony hataony izay haha-azo antoka ny fiantsoana sy fifidianana azy ireo. Aoka re tsy hataonareo an-tsirambina ny asa iankinan’ny tombontsoanareo mandrakizay. Raha tsy izany mantsy dia ho very ny fahasambarana, ny fiadanana, ny fifaliana, ary ny fanantenanareo eto amin’ity fiainana ity, ary ho verinareo koa ny lovanareo mandrakizay.

Ry tanora namako, efa voaheloky ny fitsarana ianareo, fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia afaka mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mahazo hery isan’andro ary manatanjaka ny toetra, ka sady handresy no tsy ho kivy. Natobaka ho an’ny fanahy tsirairay ny fahasoavan’Andriamanitra mba hahafahany miady ka hivoaka ho mpandresy. Tandremo ny fahalainana, aza midera tena ho efa voavonjy raha mandeha araka fironana ao anatinao, ka hihevitra fa afaka manaraka an’izao tontolo izao, manaram-po sy manao izay mahafinarira ny tenanao, kanefa ho hahatohitra ny herin’ny ratsy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra, na koa handresy rehefa mihamahamay ny ady (...). Tsy maintsy ianaranao isan’andro ny mankatô ny didin’Ilay Mpitari-tafiky ny Tompo.

Ry tanora malala, mivavaka ve ianao? Manazatra ny tenanao amin’ny fivavahana ve ianao mba hanananao toe-tsaina madio, faniriana masina, fo sy tanana madio? Zarinao ve ny vavanao hidera an’Andriamanitra? Mikatsaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ve ianao? Izany karazana fanabeazana izany no manan-danja indrindra sy tsara ho anao satria manampy anao hamolavola toetra tahaka ny an’i Kristy izany.

Aza mijanona eo amin’ny toerana mampiadan’i Satana, ary aza manao hoe: “tsy misy dikany izany, manota mandrakariva aho ary tsy afaka amin’izay, tsy manana hery handresena aho.” Tsy manana heiy tokoa ianao raha misaraka amin’i Kristy, saingy tombontsoanao ny manana an’i Kristy mitoetra ao am- ponao amin’ny alalan’ny finoana. Izy no afaka mandresy ny ota ao anatinao raha manaiky hiara-miasa Aminy ianao (...). Azonao atao ny ho epistily velona, fantatra sy vakin’ny olona rehetra. (...) manambara amin’izao tontolo izao fa mahavonjy antsika tokoa i Jesôsy. – OHC, t. 76.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal