Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITIAVANTSIKA MANONTOLO NO TADIAVINY

Daty
Alahady 07 April 2024

 « Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo. » Mat. 6:24.

Mofon’aina:  

Maro no sondriana eo amin’ny tanin’ny fahavalo. Zavatra tsy manan-danja firy – lanonana araka izao tontolo izao, hirahira sy resaka kivalavala – no maharevo ny sainy ka amin’ny fo mizarazara no anompoany an’Andriamanitra. (...) Tsy voatandrina velively ny tenin’i Kristy hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa”.

Ny fitiavana ny rehak’izao tontolo izao no tena nampiavaka ireo vahoakatamin’ny andron’i Nôà. Ny mihinana sy misotro, ny mividy sy mivarotra, ny mampaka-bady sy mamoaka ny ampakarina, izany no nimatimatesan’ny olona teo amin’ny fiainana. Fanatanterahana adidy fa tsy fahotana ny mihinana sy misotro, rehefa tsy atao tafahoatra ny fanaovana zavatra ara-dalàna (...). Andriamanitra mihitsy no nanorina sy nanamasina ny fanambadiana rehefa nanolotra an’i Eva ho vadin’i Adama. Tsara avokoa ny lalàn’Andriamanitra ary natao hahasoa ny olombelona. Ny fahotan’ireo olona talohan’ny Safodrano dia ny nampiasany ny zavatra ara-dalàna ho amin’ny ratsy. Nosimban’izy ireo tamin’ny fanaranam-po feno fitiavan-tena ny fanomezan’Andriamanitra. (...)

Ny fitiavana tafahoatra sy fanaranam- po amin’ireny zavatra tsy voararan’ny lalàna ireny no mamery fanahy an’arivony maro. Matetika ireo zava- tsy manan-danja firy no andaniantsika ron-doha, kanefa tokony hatolotsika ho an’Andriamanitra manontolo ny saintsika. (...)

Raha misaintsaina mandrakariva sy mikely aina ho an’ny zavatra eto amin’ity fiainana ity isika dia tsy afaka hampifantoka velively ny saintsika amin’ny zavatry ny lanitra. Manao izay hampiala ny fisainantsika amin’Andriamanitra i Satana, ka taominy isika ho variana amin’ny lamaody sy rendrarendran izao tontolo izao izay mitondra amin’ny aretina sy fahafatesana. (…)

Eto amin’ity tany ity isika no tsy maintsy mivonona ho any amin’ilay tontolo tsara lavitra. Misy andraikitra nankinin’Andriamanitra tamintsika, ary manantcna Izy ny hampiasantsika ny fahaizantsika rehetra ho fanampiana sy fitahiana ny mpiara-belona amintsika. Ny fitiavantsika manontolo sy ny herintsika rehetra no tadiaviny. – OHC, t. 79.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal