Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITIAVANTSIKA MANONTOLO NO TADIAVINY

Daty
Alahady 07 April 2024

 « Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo. » Mat. 6:24.

Mofon’aina:  

Maro no sondriana eo amin’ny tanin’ny fahavalo. Zavatra tsy manan-danja firy – lanonana araka izao tontolo izao, hirahira sy resaka kivalavala – no maharevo ny sainy ka amin’ny fo mizarazara no anompoany an’Andriamanitra. (...) Tsy voatandrina velively ny tenin’i Kristy hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa”.

Ny fitiavana ny rehak’izao tontolo izao no tena nampiavaka ireo vahoakatamin’ny andron’i Nôà. Ny mihinana sy misotro, ny mividy sy mivarotra, ny mampaka-bady sy mamoaka ny ampakarina, izany no nimatimatesan’ny olona teo amin’ny fiainana. Fanatanterahana adidy fa tsy fahotana ny mihinana sy misotro, rehefa tsy atao tafahoatra ny fanaovana zavatra ara-dalàna (...). Andriamanitra mihitsy no nanorina sy nanamasina ny fanambadiana rehefa nanolotra an’i Eva ho vadin’i Adama. Tsara avokoa ny lalàn’Andriamanitra ary natao hahasoa ny olombelona. Ny fahotan’ireo olona talohan’ny Safodrano dia ny nampiasany ny zavatra ara-dalàna ho amin’ny ratsy. Nosimban’izy ireo tamin’ny fanaranam-po feno fitiavan-tena ny fanomezan’Andriamanitra. (...)

Ny fitiavana tafahoatra sy fanaranam- po amin’ireny zavatra tsy voararan’ny lalàna ireny no mamery fanahy an’arivony maro. Matetika ireo zava- tsy manan-danja firy no andaniantsika ron-doha, kanefa tokony hatolotsika ho an’Andriamanitra manontolo ny saintsika. (...)

Raha misaintsaina mandrakariva sy mikely aina ho an’ny zavatra eto amin’ity fiainana ity isika dia tsy afaka hampifantoka velively ny saintsika amin’ny zavatry ny lanitra. Manao izay hampiala ny fisainantsika amin’Andriamanitra i Satana, ka taominy isika ho variana amin’ny lamaody sy rendrarendran izao tontolo izao izay mitondra amin’ny aretina sy fahafatesana. (…)

Eto amin’ity tany ity isika no tsy maintsy mivonona ho any amin’ilay tontolo tsara lavitra. Misy andraikitra nankinin’Andriamanitra tamintsika, ary manantcna Izy ny hampiasantsika ny fahaizantsika rehetra ho fanampiana sy fitahiana ny mpiara-belona amintsika. Ny fitiavantsika manontolo sy ny herintsika rehetra no tadiaviny. – OHC, t. 79.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal