Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voaro ao amin'ny eritreritra tsara

Daty
Sabotsy 06 June 2026

 "Fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an 'i Kristy." - 2 Kôr. 10:5

Mofon’aina:
Na dia ny eritreritra aza dia tsy maintsy ampileferina eo ambanin'ny sitrapon' Andriamanitra, ary ny fihetsehampo eo ambanin'ny fifehezan'ny saina sy ny fivavahana. Ny saina nomena antsika dia tsy natao hivenjivenjy na handeha amin'izay tiany, ka tsy hanaraka fifehezana sy fitsipika. Raha ratsy ny eritreritra dia tsy ho araka ny tokony ho izy ny fihetsehampo, nefa ny eritreritra sy ny fihetsehampo no manefy ny fitondrantena. - RH, 21 Avrily 1885.

 Sarobidy noho ny volamena avy any Ofira ny herin'ny fisainana marina. (...) Tsy maintsy manome lanja lehibe ny fifehezana ny eritreritra isika, satria izany no manomana ny saina sy ny fanahy hiasa amim-pirindrana ho an'ny Tompo. Mahasoa ho an'ny fiadanantsika sy ny fifaliantsika amin izao fiainana izao ny hifantohan'ny fisainantsika arnin'i Kristy. (...) Manimba ny fanahy ny eritreritra ratsy. Manova ny fo sy manadio ny fisainana ny herin'Andriamanitra izay manova ny fo. Raha tsy manao ezaka lehibe isika eo amin'ny fihazonana ny eritreritra hifantoka amin'i Kristy, dia tsy hiseho eo amin'ny fiainantsika ny fahasoavana. Tsy maintsy miatrika ny ady ara-panahy ny saina ka entina eo amin'ny fankatoavana an'i Kristy ny eritreritra rehetra. Tsy maintsy avela hofehezin'Andriamanitra ny fahazarantsika rehetra.

Aoka ho tsapantsika mandrakariva ny hery manandratra ananan'ny eritreritra madio sy ny hery miasa mangina manimban'ny fisainan-dratsy. Andeha isika hisaintsaina momba ny zava-masina. Aoka ny eritreritsika ho madio sy marina, satria izany no hany fiarovana ho an' ny fanahy rehetra. Tsy maintsy ampiasaintsika izay rehetra napetrak'Andriamanitra eo an-tanantsika mba hifehezana sy hanolokoloana ny eritreritsika. Asaina mampifandrindra ny fisainantsika amin'ny Azy isika. Ny fahamarinany no hanamasina antsika, (...) ka hahay handresy ny fakam-panahy isika. - L 123, 1904.

 Ny fifehezana ny eritreritra, ao anatin ' ny fiaraha-miasaamin ' ny Fanahy Masina, no hanome antsika fifehezana ny teny. Izany no tena fahendrena, izay hiantoka ny fiadanan-tsaina sy ny fahafaham-po ary ny fitoniana. Hisy fifaliana ao amin'ny fibanjinana ireo haren'ny fahasoavan'Andriamanitra. -L 10, 1894. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal