Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VOARO IREO KRISTIANINA NOHO NY FITANTANAN’ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 08 April 2024

Naseho niharihary teo amin’ireo toe-javatra nialoha ny fandravana an'i Jerosalema ny famindram-pon’Andriamanitra, ny fahasoavany, ny fitantanany sy ny fahalalany mialoha ny hoavy. Nanodidina ny tanàna i Cestius Gallus sy ireo tafika rômanina. Tamin’ny fomba tsy nampoizina, raha toy ny efa akaiky dia akaiky ny fanafihany dia nihemotra izy ireo. Nanenjika azy ny tafika jiosy ka nandrombaka fandresena lehibe.

Nandositra ireo Rômanina ary nanenjika azy ireo ny Jiosy, nandositra tany Pela any Perea any ambadiky ny ony Jordana ireo Kristianina. “Nomena ny famantarana nampanantenaina ireo kristiana efa niandry, ary tamin’izay dia nisy fotoana nety nandosirana natolotra izay rehetra ta-hanao izany ka hankato ny hafatra nomen’ny Mpamonjy. Tsara indrindra ny nandaharana ny toe-javatra ka na ny Jiosy na ny Romana dia tsy nanakana ny fandosiran’ny kristiana." – HM, t. 30.

Vakio ny Sal. 46:1 sy ny Isa. 41:10. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika momba ny fiahian'Andriamanitra sy ny fitantanany?

Andriamanitra dia manjaka ary manapaka ireo toe-javatra eto an-tany ho amin’ny fanatanterahana faratampony ny fikasany. Na dia manova ny drafiny any am-boalohany araka ny safidintsika olombelona aza Izy indraindray, dia ho tanteraka ny drafiny faratampony ho an’ity planeta ity. Hisy fotoana handalovan’ny vahoakan’Andriamanitra fahoriana, fanenjehana, fampidirana an-tranomaizina sy famonoana noho ny amin’i Kristy, saingy na amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza, rehefa mafy indrindra ny famelezan’i Satana dia hanohana sy hiaro ny fiangonany Andriamanitra.

Vakio ny Heb. 11:35-38 sy ny Apôk. 2:10. Inona ny zava-misy ambaran’ireo andininy ireo momba ny ady ataontsika amin’ny tafiky ny ratsy? Ahoana no ifandraisan'ireo andininy ireo amin’ny hevitra momba ny fiarovan’Andriamanitra ao amin'ilay fanontaniana teo aloha? 

Misy fifanoherana ve eo amin’ny fiarovan’Andriamanitra sy ny famelany ny olona sasany hiatrika fahoriana maharary sy ho faty maritiora mihitsy aza noho ny amin’i Kristy?

“Tsy nisy vokany ny fiezahan ’i Satana handrava ny fiangonan’i Kristy tamin’ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan’ny mpianatr’i Jesosy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin’ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany." – HM, t. 41

Midika inona amintsika ny nanoratan'ireo mpanoratra ny Baiboly hatrany hatrany momba ny fitiavan'Andriamanitra na dia azo antoka aza fa nandalo fahoriana sy fanaintainana izy ireo? Ahoana no ahazoantsika manandrana io fitiavana io ho an’ny tenantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal